Politique

Raharaha tokantranon’ny TIM Mila mamorona antoko hafa ry Raharinaivo, hoy ny Magro


  • Alarobia 22 Desambra 2010

Mbola miteraka sahoan-dresaka hatramin’izao ny fivakisana eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara. Samy mandrirotra avokoa na ny andaniny, dia ny ela-dRaharinaivo Andrianantoandro fa dia azy ireo ny antoko TIM, ankilany kosa anefa ireo mpiara-dia amin’ny filoha Ravalomanana dia manamafy fa azy ny antoko ary izy ireo no TIM

 Ny filoha rahateo moa no nanorina ity antoko natanjaka ity. Mibaribary toy ny vay an-kandrina ny fivakisana kanefa dia milaza ny elatra Raharinaivo fa iray tsy mivaky ny TIM ary dia nandrahona ireo hafa tsy nanaraka azy fa handray fepetra na ho an’ireo teo anivon’ny birao politika, na ny Reg TIM, ny DisTim, ny Foko TIM. Niantso azy ireo mba hanaraka ny ‘fitsipika voarakitry ny satan’ny antoko’ ny elatra Raharinaivo. Manoloana izany moa dia nanao valin-kafatra ny tetsy amin’ny Magro omaly fa tsara ho an-dRaharinaivo ny mamorona antoko hafa, hoy i Ignace, solontenan’i Moramanga, fa ny TIM dia an-dRavalomanana.

Ny olana, hoy i Ignace dia mpihatsaravelatsihy ny mpanao politika Malagasy izay manao politika toy ny an’ny kontinanta afrikanina. Minia tsy mahita ny tena olana ireo mpanao politika Malagasy ka miezaka mitady zavatra hafa foana, hoy ihany izy nanamafy. Nambarany ihany koa fa na tapitra voasambotra daholo aza ireo mpitari-tolona sy ny vahoaka mpanohana dia tsy miantsy misy hitsangana hiteny foana. Tarigetra, hoy izy ny fodian’ny filoha roalahy ary ny fahafahan’ny filoha Ravalomanana milatsaka hofidiana. Momba ny Repoblika IV izay nidiran’ny FAT efa ho 10 andro izao, dia nambaran’ity solontenan’i Moramanga ihany fa na firenena iray aza tsy nisy nilaza fa mankato izany, eny fa na dia i Torkia nambara fa nandefa masoivoho teny Iavoloha aza dia nilaza fa tsy nandefa iraka teny an-toerana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT