Nanao fanambarana tetsy amin’ny foibeny etsy Ambanidia ny antoko politika Aba na Antokom-bahoaka Malagasy ny alarobia teo fa nesorina tsy ho mpikambana eo anivon’ity antoko ity
intsony ny mpikambana teo aloha, Henintsoa Dany Rakotoson, araka ny fanapahan-kevitra laharana BEN/001 – 2020 noraisin’ny birao mpanatanteraka ny 11 febroary teo. Miala tanteraka amin’ny mety ho vokatry ny fandraisam-pitenenana ataony any ivelany, noho izany ny antoko raha mampiasa ny anaran’ny antoko. Manana fitsipika anatiny ny antoko, hoy ny sekretera jeneralin’ny Aba, Mamintsoa Jeannot Rakotonindriana. Voalaza ao fa ny mpikambana mandray fanapahan-kevitra sy maneho hevitra amin’ny anaran’ny tenany fa tsy ny antoko nefa tsy nierana na notapahan’ny antoko ka miverimberina izany dia heverina ho tahaka ny fahotana mahafaty. Voalaza koa fa ny mpikambana manohitra na mandika matetika ny fanapahan-kevitry ny birao nasionaly dia esorina tsy ho mpikambana ao anatin’ny antoko. 3 monja no mpikambana mpanorina ny Aba ary tsy ao anatin’izany ity mpikambana nesorina ity. Mpikambana mpanorina fa tsy filoha mpanorina no misy, hoy hatrany ny fanazavana. Mikasika ny raharaha mahasaringotra ny filoha nasionalin’ny antoko ankehitriny, Jean Ravelonarivo, moa dia nanambara ny Aba fa mba ho fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana dia nisafidy ny tsy haneho hevitra momba izany izy ireo. Nilaza ho manaja ity fanapahan-kevitra ity moa omaly ny mpanao politika, Dany Rakotoson, saingy nametra-panontaniana hoe afaka hitsangana amin’ny alalan’ny mpikambana mpanorina fotsiny ve ny antoko na fikambanana iray?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.