Politique

Raharaha nosy manodidina « Ao anatin’ny lalana frantsay ny fitsapan-kevi-bahoaka… »


  • Zoma 15 Mey 2020

Tsara ampahatsiahivina, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Rivellino Ravelomahazo,

 

 

 

fa efa tamin’ny taona 1979 no nohamarinin’ny firenena mikambana teo imason’izao tontolo izao fa antsika ireo nosy manodidina an’i Madagasikara, raha naneho ny heviny manoloana ny fifohazan’io resaka io indray ankehitriny. Nitaky azy io ny filoha Didier Ratsiraka ka hatramin’izao. Tokony nisy dinika moa tany Andafiavaratra na tany Parisy, raha ny resaka farany. Raha mijery ny lalana frantsay isika dia mitaky fitsapan-kevi-bahoaka hatrany ny raharaha mikasika ny tanin’ny repoblikan’i Frantsay. Ny olana mipetraka, noho izany, dia ny hoe ahoana no hamerenana ireo nosy ireo amintsika ? Mikasika ny amin’izay mety mbola hahazoantsika na tsia ny nosy manodidina izay moa dia nampahatsiahy ny tenany fa ora 2 taorian’ny nanomezana an’i Madagasikara dia ny fitantanana ireo nosy Eparsa no nifanarahana tamin’ny frantsay fa tsy hoe ny fanomezana ireo nosy Eparsa akory. Ao anatin’ny toerana ahafahany mametraka marika ijoroany ho any amin’ny fandrosoana izao i Madagasikara ka rariny sy hitsiny, raha misy ny savorovoro, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT