Politique

Raharaha Nadine Ramaroson Vain'afo eo an-dohan-dRajoelina


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2012

Ankoatra ny tatitra momba ny diany tany New York tamin'ny fanatrehana ny fivoriambe faha-67-n'ny Firenena Mikambana sy ny voan-dalana mety hoentiny ho an'ny foloalindahy dia andrasan'ny maro ny mety ho hevitr’i Andry Rajoelina momba ny ampamoaka nataon'i Alain Ramaroson momba ny tetika maizina namonoana an'i Nadine Ramaroson.

 Hentitra ny filazany fa misy minisitra anisan'ireo atidoha nikotrika ny fandrendrehana ilay sambo Black Shark tany Soanierana Ivongo, koa milaza fa miandry izay fandraisan'andraikitr’i Andry Rajoelina izy. Milaza fa manana porofo amin'ny ampamoaka nataony moa i Alain Ramaroson, ka asa izay ho valin-tenin'i Andry Rajoelina. Tsinjo sahady dieny izao, fa taolana ho an'ny filohan'ny tetezamita ity raharaha ity, satria tsy loza tsotra noho ny olana teknika izany no nahafaty ny minisitry ny mponina sy ireo mpandeha 11 hafa, fa zavatra niniana natao mihitsy, raha ny nambaran'i Alain Ramaroson. Roa ihany ny safidy ho an'i Andry Rajoelina, na izy miresaka mivantana amin'ny fianakaviana Ramaroson, manontany ny anaran'ireo nambara fa nampamono an'i Nadine Ramaroson dia mandray fepetra henjana, ka handray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny fitsarana na izy tsy matoky ny zavatra nambaran'i Alain Ramaroson ka mody fanina tanteraka. Ho sarotra kokoa anefa ny mety ho tohin'ny raharaha, raha toa ka io safidy faharoa io no raisiny.

Hanangana ho fahavalo avy hatrany ny fianakaviana Ramaroson izay anisan'ny tena nanampy azy tamin'ny 2008-2009 izy, ka mety hitarika zavatra hafa mbola hanahirana kokoa azy izany. Maro be ny resaka manodidina ity raharaha ity, ary efa tsy vitsy ny olona mahafantatra ny anaran'ireo olona ahiana ho nikotrika ny famonoana ny minisitry ny mponina. Tsy misy afa-tsy ny fanadihadiana lalina ataon'ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ihany anefa no tena hamoaka ny marina. Na ahoana na ahoana mety ho fitrangany aloha dia tahaka ny vain'afo ambony lohan'i Andry Rajoelina izy ity.

Manaratsy endrika tanteraka ny fitondrany izao satria tsy resaka fanakanana an-dRavalomanana tsy hiditra eto intsony ny resaka eto, na fanapenam-bava ny mpanohitra fa famonoan'olona. Raha nisy ny fivoahan'ny anaran'ny minisitry ny jono tamin'ilay raharaha fikasana hamono an'i Andry Rajoelina tamin'ny alalan'ny ody gasy, dia haingana ny valin-kafatra avy amin'ny governemanta, niaro ny minisitra Manoriky Sylvain. Ankehitriny anefa toa tsy misy mihitsy ny feo mivoaka avy eny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo, fa dia miandry ny filohan'ny tetezamita (angamba) ny zava-drehetra, fa tsy misy te hidi-bingo amin'ity raharaha mafana dia mafana ity. Efa azo sary an-tsaina sahady koa ny savorovo hitranga ao ambonimbony ao, satria milaza ny mbola hanohy ampamoaka manodidina iny raharaha ity i Alain Ramaroson raha ela fidona eo i Andry Rajoelina. 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT