Politique

Raharaha Madagasikara Ny SADC no handray fanapahan-kevitra


  • Talata 13 Novambra 2012

Hatry ny omaly dia nandeha be ny resaka teto an-drenivohitra fa efa eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.

 Voalaza fa mpanao politika no nanome ny vaovao. Rehefa natao moa ny fanamarinana dia tsy mitombina izany, hoy Ralaiseheno Guy Maxime. Tsy mpangalatra sanatria ny filoha Ravalomanana, hoy izy ka tonga an-tsokosoko. Ny fodiany eto dia tsy maintsy amin’ny fomba ofisialy ary tsy maintsy tsenainay amin’ny fomba manetriketrika izy, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. “Ampidirinay eto amin’ny fomba ofisialy izy satria mpandresy”, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime izay nanazava fa tao anatin’ny taona maro dia nezahin’ny FAT natao ny fomba rehetra nanakanana azy sy nanaratsiana azy.

Ankoatra izay, araka ny efa nambaran’ny filoha Ravalomanana ny sabotsy teo dia hitsidika any Afrika Atsimo ny filoha amerikanina Barack Obama. Misy antony politika lehibe io, hoy Ralaiseheno Guy Maxime ka mila arahi-maso tsara. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny raharaha politika eto amintsika izany, raha ny fanazavana, indrindra amin’ny famahana ny krizy, dia ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalana. Olana ara-politika no misy eto ka tsy maintsy vahaolana politika, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity. Mazava ny tenin’ny Vondrona Eoropeanina raha nifampidinika tamin’ny mpanatanteraka fa rehefa tsy hanatanteraka ny fifanarahana ny fitondrana dia tsy maintsy ny SADC no handray fanapahan-kevitra. Nohamafisin’i Guy Maxime moa fa tsy misy vahaolana eto raha tsy mody sy milatsaka ho fidiana i Marc Ravalomanana ary ny ankolafy Ravalomanana dia tsy manana kandida ankoatra azy. Izy rahateo no antom-pijoroan’ny mpandala ny ara-dalàna. 

Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT