Politique

Raharaha Lily Rafaralahy Resaka loko politika, hoy ny mpisolovava


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Tsorina fa resaka loko politika na dosie politika, hoy ny mpisolovavan’ny mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo, Lily Rafaralahy, Maitre Henintsoa Rajeriarison, ny raharaha Lily Rafaralahy.

Na hilaza aza ny ankilany, hoy izy, fa resaka fanalam-baraka fotsiny io, dia efa fantantsika fa misy manaraka ambongadiny izay lazain’ny ben’ny tanana rehetra fotsiny ao amin’ny kaominina ao. Misy ireo mpanolontsain’ny tanana mijoro amin’ny fahamarinana kosa nefa rehefa mahita ny tsy fihetezana eo anivon’ilay kaominina. Lasa misy loko politika ao anaty kaominina, indrindra, ataon’ireo miaraka amin’ny mpitondra ankehitriny. Halako bika sy tsy tiako tarehy fotsiny satria anatin’ny antoko hafa. Tafiditra anatin’ilay hoe fizarana solika ataon’ny ben’ny tanana izay hanavakavahany ireo mpanolontsain’ny tanana. Hatramin’izay no efa nisy olana ny kaominina satria lasa ataon’ny ben’ny tanana araka izay itiavany azy ny fitondrana ny mpanolontsain’ny tanana ao amin’ny kaominina. Ireo mpanolontsaina manaikinaiky azy sy manaiky ny fitondrana rehetra ataony na misy tsy fanarahan-dalana ao na misy tsy mifanaraka amin’ny sata mifehy ny kaominina dia omeny ilay solika rehefa manaikinaiky azy. Izay rehetra hita sahy mijoro na sahy manontany fotsiny ny tsy fangaraharahana ao anaty kaominina aza dia tsy misitraka izay resaka solika izay. Misy orinasan’ny kaominina maro natsangana izay tsy fantatry ny mpanolontsain’ny tanana akory ny fisiany sy ny sata momba azy ka rehefa nangataka ny taratasy momba izany ireo mpanolontsaina dia io no tsy nahafaly ireo mpanolontsaina miaradia amin’ny ben’ny tanana ary nitoriany ireo namany hoe manao fanalam-baraka nefa raha tsiahivina dia hoe nisy orinasa natsangan’ny ben’ny tanana niaraka tamin’ny ekipa sasany sy olon-kafa tsy ao anatin’ny kaominina. Rehefa tsy nanome ny taratasy ho jerena ny kaominina dia tao amin’ny pejy Facebook an-dramatoa Faniry Ernaivo no nivoaka ny mombamomba ilay orinasa ary nataon’olona maro fizarana na “partage” ary isan’ny nanao izany moa I Ramatoa Lily Rafaralahy. Nitsangana amin’izay ramatoa Lalatiana Ravololomanana ary nilaza fa diso iny niparitaka tanaty Facebook iny. Maninona raha ampahafantarina ny mpanolontsain’ny tanana na ny vahoaka Malagasy fotsiny aza ilay fahamarinana, hoy hatrany ity mpisolovava ity?
J. Mirija
Legende: Ny Maitre Henintsoa Rajeriarison


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT