Politique

Raharaha Imbiki Voatonontonona ihany koa ny Minisitra Tinoka R


  • Talata 15 Febroary 2022

Niala iny ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza rehefa voatonontonona tamin’ny raharaha goavana mamofompofona kolikoly,

tratry ny karazana ampamoaka nisesy tao anatin’ny herinandro vitsy momba azy. Misafotofoto hatramin’ny raharaham-pirenena satria isan’ireo Minisitera dimy mariky ny fiandrianam-pirenena rahateo ny Fitsarana. Tsy misy afaka tena hilaza na marina na diso ireny rehetra ireny, fa ny fanadihadian’ny manam-pahefana sy ny fitsarana no tompon’ny teny farany araka ny lalàna, ary mbola mitoetra ihany koa mazava ho azy ny maha olona mbola tsy voaheloka sy tsy voatsara na “Présomption d’innocence”. Asa izay ho fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny mpitsara (CSM) momba ity Minisitra ity amin’ny maha mpitsara azy ? Mbola dingana lava kosa vao mety ho tonga any amin’ny Fitsarana avo (HCJ) izay mety hifampiankina amin’ny fanadihadian’ny Biraom-pirenena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) ary mbola mila tsodranon’ny depiote ny dosie izay vao afaka halefa HJC izay fahefam-pitsarana natao hitsara ireo olona ambony.
VOATONONA I TINOKA ROBERTO
Manao randra-tarihina ity raharaha ity satria manomboka mipitika any amin’ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto na « Toto » ny rihitra, misy manonona ny anarany. Ankoatra ny horonam-peo niparitaka, dia manomboka misy milaza fa nandray 400 tapitrisa Ar na 2 milliard fmg tamin’ny raharaha trafikana safira ana teratany Karana tratra teny Ivato ny 19 oktobra 2021 io Minisitra io. Tsy nisy minisitry ny harena an-kibon’ny tany intsony tamin’izany satria niala ny 18 aogositra 2021 Atoa Brice Randrianasolo, ka ny Praiminisitra no misolo azy vonjimaika hatramin’izao. Anjaran’ny voatonona ny mitondra fanazavana sy mandiso izany amin’ny fomba ofisialy, raha tsy mitombina, fa izay aloha ny karazana ampamoaka mandeha indray. Manomboka misy mitsikera noho ny fihazakazahan’ny fitomboan’ny hareny ao Toliara rahateo io Minisitra io, toy ny fihazakazahan’ny fanamboarana trano goavana amina miliara ka maro no miahiahy azy. Ity Minisitra ity izay tsiahivina fa namely mafy sy nitanisa ny voalaza fa fangoronan-karena nataon’ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solondrasana Olivier nandritra ny tolon’ny Depiote 73, ary nahavita nanao “ialahy” io Praiminisitra io mihitsy. Manomboka misy mitsingoloka ny tenany ankehitriny, izay tsipihina fa tsy voatery ho marina, saingy tokony hisokatra ny fanadihadiana. Hanara-dia an’Atoa Imbiki Herilaza ve Atoa Tinoka Roberto sa harovana satria mpitolona ? Hihetsika hanao fanadihadiana ve ny Bianco, ny Sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola na SAMIFIN sa ahoana ?

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT