Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.
Io ilay valopy 240 tapitrisa Euros, izay fanampiana ny antsasany, ary trosa arahina zana-bola ny antsasany. Tao anatin’ny fihaonana mikaton-trano nandritra ny fahatongavan’ny lehiben’ny diplomasia Frantsay Jean Yves Le Drian teto Madagasikara, dia efa nilaza ity farany, fa tsy mandefitra amin’ny fiandrianany izany i Frantsa fa misokatra hatrany kosa amin’ny fiaraha-miasa toy ny amin’ny sehatry ny jono sy ny fiarovana ny tontolo iainana na koa ny fandriampahalemana i Lafrantsa. Midika io fa ny fiaraha-mitantana izany no mety azo eritreretina kokoa, kanefa mbola midingin-drambo aza i Lafrantsa. Maniry ny hampiharana ny fanapahan-kevitry ny ONU tamin’ny taona 1979 ny fanjakana Malagasy, saingy tsy afa-manoatra hatreto. Asa izay ambaran’ny Filoha rehefa tonga ny 26 jona satria mialoha izay ny fampanantenana hivoahan’ny fehin-kevitra. Etsy an-kilany, nofoanan’i Lafrantsa kosa ny fahazoan-dalana hitrandraka solika ataon’ny orinasa Amerikanina Marex Petroleum ao amin’ny Nosy Juan de Nova, ary efa nampahafantarina an’io minisitry ny Transition écologique Frantsay Elisabeth Borne sy ny minisitry ny toekarena Bruno Le Maire. Noho ny famadihana ho « Réserve naturelle » no anton’io.
Fanampiana sa fananararaotana ?
Etsy an-kilany, miezaka mitazona ny toerany eto Madagasikara ny Frantsay. Tena manana tombontsoa betsaka harovany eto izy amin’ny alalan’ireo orinasany goavana sy matanjaka. Toa nohararaotina ny fitondrana Malagasy, izay manana olana hatrany tamin’ny resaka famatsiam-bola, saingy tsy dia nahita vahaolana. Ny kiana mahazo ny mpitondra mirarakompana satria tsy arakaraka ny fampanantenana ny zava-misy noho ny tsy fananam-bola. Efa nanao pi-maso tamin’ny Rosianina, toa mitady lalana any amin’ny sinoa,… dia iny ny frantsay fa nirotsaka an-tsehatra, toa tonga tsy nantsoina tampoka nitondra vahaolana ara-bola. Ny AFD anefa no tena hitantana an’io, raha ny fahitana ireo mpandraharaha Frantsay ao anatin’ny MEDEF ihany no nanakiana ny fandriampahalemana ara-pandraharahana eto, ka tsy dia nisy vokany ny fitsidihan’izy ireo teto ny oktobra 2019.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.