Politique

Raharaha "Iles Eparses" Namaly bontana avy hatrany ny Frantsay


  • Alarobia 13 Mey 2020

Efa nampoizin'ny mpanara-baovao fa tsy maintsy hamaly bontana ilay fanambaran'ny filoha Rajoelina tao amin'ny France 24 sy ny RFI ny fanjakana

 

 

Frantsay,momba ny Iles Eparses na ireo nosy manodidina ary dia tonga tokoa ny valin-kafatra.Hanao fakan-kevitra faobe amin'ny vahoaka Frantsay ny amin'ny hanaovana ho valanjavaboahary nasionaly ny Iles Glorieuses ny fanjakana Frantsay; araka ny antontan-kevitra navoakany ny alatsinainy 11 mey.Nanomboka tamin'io daty io ka hatramin'ny 01 jona izany fakan-kevitra izany.Tanjona amin'izy ity ny hoe fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary misy ao amin'ny Iles Glorieuses; fanokanana teti-bola manokana sy fametrahana tompon'andraikitra any an-toerana hitantana izany."Réserve Naturelle Nationale" moa no anarana heverina omena izany.Toa mampatsiahy ilay tenin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tany amin'ity ampahana nosy mandrafitra ny Iles Eparses ity nanao hoe "ici c'est la France" izao fihetsika izao.Ary mampiseho fa tsy hanaiky mora foana ny hanome an'i Madagasikara ireto nosy manodidina ireto ny fanjakana Frantsay.Ireo toerana ireo, izay voalaza fa manana tahirina entona fandrehatra an'izany goavana, ary afaka mifaninana tsara mihitsy amin'ireo firenena Arabo.Tahaka ny efa milaza an-kolaka ihany koa amin'izao zava-mitranga izao ry zareo Frantsay fa tsy misy zavatra azon'i Madagasikara antenaina firy amin'ny fifampidinihana manarana, tokony ho tanterahana any Frantsa...raha hisy ihany izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT