Politique

Raharaha « Iles Eparses » Miantso ny Antenimierandoholona ny antoko maromaro


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Nanapa-kevitra ny loholona Frantsay ny 02 septambra lasa teo, ary nanamafy fa tsy haverina velively amin’i Madagasikara izany ireo Nosy Malagasy na ny « îles Eparses ».

 

 

Manoloana io toe-javatra io, dia tonga teny amin’ny Antenimierandoholona omaly ny Antoko maromaro toy ny Otrik’afo, Antiko Politika Madio, Alefa,…. nangataka ny hanaovan’io andrim-panjakana io fivoriana maika momba ity toe-draharaha ity. Nilaza rahateo izy ireo, fa niandry izay mba ho valin-kafatra avy amin’ny fitondram-panjakana, saingy tsy nisy. « Matoa nanao ireny ny antenimierandoholona Frantsay, dia nifanantona ny samy mpitondra tao. Misy tokoa ny diplaomasia parlemantera. Saropady be io amina firenena indrindra fa amina toe-javatra tahaka izao. Fantatsika hoe tena mila firaisankiana sy firaisana amin’ny zavatra tenenina io. Io ny loholona Frantsay nilaza ny heviny, fa ny tena mafy indrindra raha izao manokana dia ilay Filoha Frantsay tonga tao nilaza hoe : « ici c’est la France », hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao. An’i Madagasikara io ary tsy tokony hiadian-kevitra intsony, maro isika no niray hevitra tamin’izany. Natao ny tany amin’ny CCI,… Ny Parlemantera tsy handeha irery izany, ary mety ilay parlemantera nanome ilay sary, fa eo ambonimbonin’izay misy dingana tokony arahina, ary sokafana amina dinika tahaka izao, hoy i Rivo Rakotovao nanoloana ireo mpangataka. Anisan’ny lahadinika voalohany io, hodinihina amin’ny fo tony io satria mifandraika amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, hoy izy. Nanampy soso-kevitra ny hanaovana ireo Nosy ho Faritra faha-23 sy hanendrena governemanta ireo Antoko politika tonga teny Anosy, ary naneho fa mbola hanantona ny Antenimieram-pirenena.

 

Tsiahivina, fa ,nampiantso an’Atoa Christophe Bouchard, Masoivohon’i Frantsa, ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny 18 May 2020, teo anatrehan’ny fanambaran’i Frantsa fa hataony ho : « Réserve Naturelle Nationale» eo amin’ny Nosy Glorieuses, izay valin-kafatra tamin’ny tenin’ny Filoha Malagasy ny 11 mey fa fitakiana ny famerenana no atao. Tsy re izay tohiny, tampina teo ny daomy, ary iny ny Fanambaran’ny Loholona Frantsay ny 02 septambra, saingy na ny Filoha na ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny tsy nandrenesam-peo. Efa nisy fifanarahana ambadika sa tena tahotra an’i Lafrantsa ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT