Politique

Raharaha “Îles Eparses” Manao sinema Rajoelina sy ny Frantsay…


  • Zoma 31 Mey 2019

Nolazaina fa nangataka ny famerenan’i Frantsa amin’i Madagasikara ireo nosy manodidina na « îles Eparses » bodoin’ny Frantsay i Andry Rajoelina nandritra ny fihaonana tamin’i Emmanuel Macron ny alarobia 29 mey teo.

 

 

Tsy tena nisy ny valiny mahafa-po mahakasika an’io na miezaka manao serasera aza i Andry Rajoelina fa fananganana kaomisionina no nambara ary afaka herintaona mialoha ny hankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena no hivoaka ny fehin-kevitra na havotsotra ho antsika na hisy fiaraha-mitantana na « co-géstion ». Toa sinema sy serasera mipoapoaka hilazana fa tia tanindrazana Rajoelina no betsaka. Hatreto, azo antoka fa tsy havotsotry ny frantsay mora io, ary tsy vao ny Filoha ankehitriny irery no niresaka an’io fa tamin’ny andron’i Hery Rajaonarimampianina no niresahana ny fifampidinihana sy ny mety ho fiaraha-mitantana. Hirehareha fatratra avy eo fa tena niady ho an’i Madagasikara satria io no hoeken’ny Frantsay, dia hilaza fa mba efa nisy vokatra ? Ny famerenana tanteraka ireo Nosy amin’i Madagasikara anefa no didin’ny Firenena Mikambana. Toerana stratejika hahafahan’i Frantsa manara-maso aty amin’ny Ranomasina Indianina ireo. Ankoatra izay, nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa maromaro niarahana tamin’ny Frantsay dia ny fananganana toby mpamatsy herinaratra any Volobe, Sahahofika. Tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina no efa noresahina ireny. Teo koa ny resaka fambolena vary, ny lafiny ara-tontolo iainana amin’ny alalan’ny famerenana ny ala, fampianarana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT