Handalo eo anivon’ny Fitsarana misahana ny heloka bevava na CCO (Cour Criminelle Ordinaire) ny 6 desambra ho avy izao ny raharaha “Apollo 21”
na ilay fikasana hifofo ny ain’ny Filoham-pirenena. Olona maherin’ny 20 izay ahitana sivily sy miaramila, izay ahitana manamboninahitra ambony sy manamboninahitra lefitra, teratany Malagasy sy frantsay,… no hiatrika ny mpitsara. Henjehina ho manohitohina ny fiandrianam-pirenena, mpikambana amina tambajotran’olon-datsy, mpiray tsikombakomba amin’ny fikasana hamono filom-pirenena izy ireo. Tsara ny mampahatsiahy fa ny 21 jolay 2021 no nanao fanambarana ofisialy momba ny fisiana fikatsahana hamono ny Filoham-pirenena sy manam-pahefana ambony eeto amin’ny tany sy ny Fanjakana Tonia mpampanoa lalàna ambony Berthine Razafiarivony. Naneho fa misy ny porofo manamarina ny fikasana, ary nanitrikitrika an’izany ihany koa ny Filoham-pirenena. Isan’ireo nosamborina sy naiditra am-ponja ilay manamboninahitra Frantsay misotro ronono Paul Rafanoharana izay ambaran’ny mpisolovava azy Me Willy Razafinjatovo na Olala fa fanenjehana politika no misy. Asa hanao ahoana ny ho tohin’ity raharaha niteraka resabe ity ka tao no nilaza fa sinema raha toa ka nanitrikitrika ny mpitondra fa tena marina? Efa nilaza ihany koa ny Filoha Rajoelina misy mpanao politika ambony tao ambadika saingy tsy fantatra hoe: iza hatreto ary nahoana no tsy nosamborina?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.