Politique

Raharaha FIGN - BANI Havotsotra amin’izay ireo miaramila ?


  • Alarobia 03 Oktobra 2012

Manoloana ny fikasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hody an-tanindrazana dia voaresaka matetika ny andininy faha-20 sy faha-45 ao amin’ny tondrozotra.

 Somary adino noho izany ilay andininy faha-16 mandidy ny famoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika, na sivily io na miaramila. Eto moa dia tsy misy adihevitra be, fa nosokajiana ho hetsika politika daholo ireo zavatra nitranga nandritra ny fitondrana tetezamita, satria nateraky ny fifanolanana politika. Ka na ireo voarohorohy tamin’ny raharaha baomba izany, na ny voarohirohy tamin’ny raharaha BANI, FIGN dia tokony ho efa navoaka ny fonja avokoa. Zavatra efa nekena sy nifanarahana izany ka tsy tokony hamoronana fepetra be ihany, fa tonga dia ampiharina. Efa nekena ho lalàna mihatra eto Madagasikara ny tondrozotra ka tanterahana fotsiny izay voasoratra ao aminy. Raha hiverenana kely sy fintinina moa dia fangataham-panazavana momba ny resa-bola no nahatonga ny hetsika teny amin’ny FIGN ny 20 mey 2010. Tsy nohenoina ny fitakian’ireo zandary ireo, 30 teo no isan’ireo zandarin’ny FIGN notafihana miaramila efa ho 500 avy amin’ny Emmo Nat. Nitsikera ny tsy fetezan’ny fomba nitantanana ny foloalindahy sy ny fivilian’ny nambara fa fanovana nentina teto amin’ny firenena no antony nijoroan’ireo manamboninahitra teny amin’ny BANI tamin’ny novambra 2010. Tsy nisy alaharo koa anefa fa tonga dia notafihana sy nosamborina izy ireo. Dia any am-ponja hatramin’izao ireo lohandohany, ankoatra an’ny kolonely Charles Andrianasoavina izay mitsabo tena atsy amin’ny nosy La Réunion.

Tsikaritra fa mody fanina tanteraka amin’ny andininy faha-16, 17 ary 20 ao amin’ny tondrozotra i Andry Rajoelina sy ny ekipany, satria tsy mety amin’izy ireo loatra ilay izy. Mihevitra izy ireo, angamba fa mety ho sahirana na hiongana mihitsy raha toa ka avoaka ny fonja daholo ireo manamboninahitra sy vata miaramila nogadrainy, na avela mody malalaka eto Atoa Marc Ravalomanana, izay fantatry ny mpitondra FAT tsara fa mbola mahazaka olona sy manana herijika voafidy ho filoham-pirenena indray.

Nambara foana hatramin’izay fa ny foloalindahy no hery mihazona ny fitondran’i Andry Rajoelina. Ilay tatitra miafina avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Frantsay anefa dia nilaza fa tsy mbola fantatra mihitsy, izay tena hevitry ny miaramila any an-dakazerina any. Izany hoe mbola ahiana ny mety hivadihan’ny tafika tampoka amin’i Andry Rajoelina, amin’ny fotoana tsy fantatra, noho ny antony tsy mbola voafaritra. Afaka madiodio i Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara Pierre, izy ireo izay tsy nisalasala namoaka tsiambaratelo maro momba ny tafika sy ny zandary ary ny fitantanana ny fanjakana. Koa tsy rariny ve raha avoaka ny fonja ireo miaramila nitaky ny mangarahara sy nanaitra ny mpitondra amin’ny gaboraraka sy fivadihan’ny fanovana, nambara fa atao teto ? 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT