Politique

Raharaha Fidèle Razara Pierre Lasa mampifanolana ny samy olon’ny Filoha


  • Zoma 03 Jolay 2020

Tsy atao fialokalofana ny maha olom-boafidy ary tsy natao hanafenana ny hadalana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka hitadiavana ny irika rehetra hamorehana ny fitondrana mahefa ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka,

 

 

 hoy Rtoa Rinah Rakotomanga Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo anatrehan’ny famakafakana nataon’ny Depiote TIM Fidèle Razara Pierre fa nanao fanadihadiana amin’ny maha mpanao gazety azy. Nambarany, fa mijoro sy milaza vaovao tsy marina mba hanakorontanana ny saim-bahoaka hakany amin’ny fikomiana manoloana ny fahefana mpanatanteraka. Ilay resabe momba ny Filoha voalaza fa nandao an’i Madagasikara no anton’io. Adalana voafehin’ny andàlana faha 3 ao anatin’ny fehezan-dàlana famaizana ao amin’ny andininy faha-91 ary mety tokony hahazoana sazy herintaona ka hatramin’ny 05 Taona an-tranomaizina, fa tsy nijoro ny tompon’andraikitra isan-tokony hanenjika na hanasazy azy, hoy i Rinah Rakotomanga. Satria ve mpifati-drà hatrizay ka an-tsaha tsy mifanary an-tanety tsy mifandao? Ary raha toa ka olon-tsotra na mpanao gazety tsotra ilay olona, tsy efa voaantso tetsy amin’ny mpanao fanadihadiana sy mpanao famotorona ve tahaka izay ? Fa natao ho an’iza ny làlana sy ny fampiharana izany? Sa noho ilay fihavanana tsy tontan’ny ela ka entina hanenjehana? hoy izy. Miantefa amin’ny Minisitry serasera Lalatiana Rakotondrazafy ve ny hafatr’i Rinah Rakotomanga? Nanaitra rahateo ny fanehoan-kevitr’Atoa Andry Andriatongarivo Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo izay vadin’ny Minisitry ny serasera. “Izao Rinah Rakotomanga a! Torio ohatry ny nitorianareo an’i Arphine ilay olona dia vita fa aza mimenomenona. Oay, dia avereno daholo ny volan’olona nindraminao sy ny seky rehetra nomenao olona “sans provision” soit disant bizina volamenanao fa be ny mimenomenona”, hoy izy. Toa lasa nivadika fifanenjehana sy fifanalana baraka eo amin’ny samy olom-panjakana ilay raharaha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT