Politique

Raharaha famonoana ny Filoha Nosamborina i Sareraka “Méditation”


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Nataon’ny polisy sambo-dokotra vao maraina tany an-tranony i Randriazanakolona Yvon na Sareraka mpanakanto fantatra tamin’ilay hira « méditation »

 niovaova araka ny fitondrana nisy, mpitolona sy hita matetika tamina hetsika politika, irakiraka na “chargé de mission” eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika,... Voalaza fa voatonontonona amin’ny raharaha famonoana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ka iray tamin’ireo olona efa voasambotra mialoha no nanonona ny anarany, hoy ny fampalalalam-baovao ofisialin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Dépêche Informative Taratra. Loharanom-baovao tsy ofisialy ihany koa no nilaza fa nandray dosie avy amin’ny Madagascar Oil izy. Nanaovana fisavana ary nalaina niaraka tamin’ny finday sy ny solosainany I Sareraka, ary nentina natao fanadihadiana teny Ivato, nentina teny amin’ny Sampana misahana ny heloka Bevava Anosy,… Voalaza avy eo eo, fa narevina teny Ivato. Olona fahafito nosamborina tamin’io raharaha io i Sareraka. Andrasana ny tohiny momba ity raharaha ity satria somary mifamahofaho.
« MISY ENDRINY ROA NY FAMONOANANY FILOHA »
Tao amina fampahalalam-baovao iray kosa no nahenoana omaly, fa nialohan’io izany hoe ny alatsinainy teo, dia niantso ny olona ho tony, miantso ny olona hiandry izay ho tohin’ny fitsarana, i Sarereraka, ary naneho fa na inona na inona zavatra miseho toy ireny dia manameloka ny fifofoana ny ain’ny Filoham-pirenena. “Ny mifofo ny ain’ny olona tsotra aza tsy fanao izany mainka fa ny ain’ny Filoham-pirenena. Efa tsy fidiny ny mahazo antsika amin’ireo olona mamono hasina ny Filoham-pirenena amin’ny fampiasana amin’ny fomba maloto ny fahefana izay nomena azy etsy sy eroa”, hoy I Sareraka. Somary nanaitra ny filazany fa misy karazany roa ny famonoana ny Filoha ankehitriny, ka ny iray dia ilay hoe fifofoana ary ny iray dia mazava ihany koa hoe misy ny famonoana azy amin’ny famonoana ny hasiny isan’andro isan’andro amin’ny fanararaotana ilay fahefana. Hita etsy sy eroa izay mampimenomenona ny mpiara-belona, ary anjaran’ny Filoha no manapa-kevitra manandrify izany ary anjaran’ny vahoaka ny mandray fanapahan-kevitra amin’ny tandrify azy. Nilaza ho manao tatitra amin’ny maha irakiraka (chargé de mission), manome baiko ny Filoha, maniraka azy amin’ny fanitsiana izany. Izay manana fahefana manitsy an’izany no manitsy an’izany. Manome fankaherezana ny mpitolona fa ny tena moa mpitolona, saingy tsy mbola nandatsa-drà, ary manaiky ny fandatsahan-drà”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT