Naneho hevitra momba ilay raharaha fampitaovana ho an’ny CCO Covid-19 mahasaringotra ny Minisitry ny atitany Atoa Tianarivelo Razafimahefa ny mpandinika rahaharam-pirenena Atoa Serge Zafimahova.
Tsy fanomezana novidian’ny PNUD manokana. Nila ny hevitra avy amin’ny Minisitera. Raha izy no nanolotra dia novidiany tany, dia nateriny tamin’ny Malagasy. Ity matoa nila “avis de non objection” dia midika fa ny nila ny hevitry ny Malagasy. Nisy ny kiantranoantrano na inona na inona ny fanazavana, hoy izy. Tokony hofoanana ny CCO fa tsy nahomby, ary porofon’izany ny fananganana ny CTC eny Mahamasina tarihin’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, hoy izy. Io rafitra vaovao vao misy “banque de données” na ny antontan-kevitra samihafa, ka miala tsiny fa midika ho tsy fahombiazan’ny CCO io, hoy izy. Nambarany fa ny olana eto dia tsy esorina ilay olona tsy mahavoa, fa manorina rafitra vaovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.