Politique

Raharaha “Doublon” Hotohizana hatramin`ny janoary 2021 ny fanadihadiana


  • Alatsinainy 28 Desambra 2020

Raharaha efatra heverin` ireo loholona misy fandikan-dalàna no hanaovan` ilay

 

 

vaomiera mpanadihady natsangan` ny Antenimierandoholona. Raha tsiahivina dia miisa efatra ireo vaomiera natsangana nandritra ny fivoriana ara-potoana farany teo. Araka izany, vaomiera roa no efa nampiantso olona natao famotorana dia momba ireo fitaovam-piadiana nampirantiana teny Mahamasina ny fotoana nanaovan` ny Filoha Rajoelina fihanianana. Ity raharaha ity rahateo dia efa nitondran` ny zandarimariam-pirenena fanazavana. Ny fanadihadina faharoa dia mahakasika ny raharaha “doublon” tamin` ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin` ny fifidianana filoham-pirenena 2018. Efa nisy ihany ny fampiantsoana tamin` ny filoha lefitry ny CENI teo aloha, Thierry Rakotonarivo, tamin` ity raharaha ity saingy tsy tonga ity farany noho ny olana ara-pahasalamana. Teo ihany koa no fampiantsoana ny tale jeneralin` ny tranom-printim-pirenena farany teo izay nikirakira ny fanotàna ny taratasy momba ireo kara-panondrom-pirenena. Manoloana izany dia nilaza ny filohan` ny vaomiera, Olivier Rakotovazaha, fa atao foana ny fanadihadiana mandrapaha hialan` izy ireo amin`ny maha loholona azy. Hotohizana hatramin` ny faran` ny volana janoary 2021 ny fanadihadiana. Fohy ihany ny fotoana ahafahan` ireo loholona manao ny asany na dia azo atao ivelan` ny fivoriana ara-potoana izany saingy ny tatitra kosa dia tsy maintsy anaty fivoriana ara-potoana no havaoana azy. Kanefa ny fivoriana manaraka ho avy eo dia efa tsy tafiditra amin` ny fotoam-piasan` izy ireo intsony.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT