Politique

Raharaha BANI Tsy vahiny tamin’ny hetsika ny CEMGAM ?


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010

Mandeha ny feo amin’izao fotoana fa anisan’ireo manamboninahitra hohenoina na halaina am-bavany noho ny raharaha BANI ny jeneraly Ndrianarijaona André, lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy na CEMGAM.

Araka fantatra mantsy dia nisy tamin’ireo manamboninahitra nitolo-batana no nilaza tamin’ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo fa tsy vahiny tamin’iny hetsika iny ity CEMGAM ity. Tsy mbola mazava tsara kosa anefa raha nahafantatra ilay hetsika noho ny fanangonam-baovao sy ny asa fitsikilovana nataony ny teny Andohalo na nahafantatra mialoha ny drafitra rehetra satria anisan’ny tao anatin’ireo nandray anjara tamin’izany. Fa raha ny fanambaran’ny mpanao fanadihadiana aloha no raisina dia mbola hisy manamboninahitra hafa hohenoina momba iny raharaha iny, ary voalaza mihitsy moa fa tsy latsaky ny 10 izy ireo ary misy mitana andraikitra ambony ao amin’ny foloalindahy.

Raha vao nanomboka tokoa iny raharaha teny Ivato iny dia nandeha be ny feo fa manohana ny hetsik’ireo manamboninahitra ny jeneraly Ndrianarijaona André ary midika avy hatrany izany fa hitsimbadika tanteraka ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny rasa satria miainga avy eny amin’ny Etamazaoro eny Andohalo ny fibaikoana sy ny fampitam-baovao rehetra eo anivon’ny tafika, ka anisan’ny tanjona napetraka ny hoe tsy handray baiko afa tsy avy amin’ireo Komity miaramila ho an’ny fanavotam-pirenena ny Toby rehetra manerana ny nosy, ka ny avy any amin’ny faritra no hanombohana azy, dia mamarana ny hetsika rehetra ny eto an-drenivohitra, voaresaka koa aza nandritra ireny hetsika teny amin’ny BANI ireny ny hoe hasiana Governora miaramila isak’ireo faritany enina.

Tsy nisy tanteraka anefa izany rehetra izany satria nanaiky ny nitolo-batana ireo manamboninahitra, ka eo indrindra no mbola manjavozavo amin’ity raharaha ity hoe nahoana ny manamboninahitra jeneraly sy kolonely izany no manaiky hitolo-batana tsy miady akory, sady amin’izay ireo azo ambara fa mafy loha sy sahisahy tao amin’ny foloalindahy ireo nanao fanambarana teny Ivato ? Inona no fampanantenana tany ambadika, sa tena tratry ny fanafihana sy fisamborana am-pitaka tokoa izy ireo ? Sa nisy nivadika tamin’ny fifanarahana ka sarotra ny hanohizana ny raharaha ? Mbola ny resaka nandeha ihany koa no nahafantarana, fa iray andro taorian’ny nanaovana ilay fanambarana teny amin’ny BANI dia efa vonona ny anarana manamboninahitra iray hasolo ny CEMGAM, manamboninahitra kolonely manana ny maha izy azy ao amina toby miaramila iray eto an-drenivohitra io saika hasolo ny jeneraly Ndrianarijaona io araka ny tsiliantsofina re, saingy tsy raikitra ny fanoloana na dia efa nandeha be aza ny feo. Nahoana no nihazakazahana saika hosoloina ny CEMGAM, dia nahoana no tsy raikitra indray ilay fanoloana ? Azo tsoahina avy amin’izany rehetra izany fa mbola sarotra ny raharaha BANI ary mety ho maromaro ihany ny tsy ampoizina mety hitranga eny antenantenan’ny fanadihadiana eny. Ho hita eo ny ho tohiny !

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT