Politique

Raharaha BANI Tsy mety raikitra ny fampifanatrehana


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

Amin’ny volana janoary sa amin’ny martsa ? Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny momba ny fotoana hitsarana ny raharaha BANI. Raha araka ny fantatra mantsy dia mety ho ny 19 janoary ho avy izao no handeha ny fitsarana azy ity.

Mety manaporofo an’izany rahateo ny faneren’ny ministeran’ny fitsarana ny mpitsara mpanao famotorana mba hamarana ny fanadihadiana ka hanakatona ny dosie hatramin’ny rahampitso zoma. Omaly dia ny Jeneraly Raoelina no nohenoin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Naharitra adiny telo teo ny fanadihadiana ifotony azy. Raha araka ny fantatra dia ny Jeneraly Noël Rakotonandrasana izay tsiahivina ihany fa ministry ny foloalindahy teo aloha, tao anatin’izao Fahefana Avon’ny Tetezamita izao, no hohainoan’ny fitsarana mpanao famotorana manaraka.

Hatreto aloha dia tsy mety tontosa ilay fangatahana fampifanatrehana ny jeneraly Ndriarijaona André, Cemgam amin’izao fotoana, sy ny Lietnà-Kolonely Charles Andrianasoavina. Efa im-betsaka no nolazaina fa hotontosaina izany saingy tsy raikitra mihitsy. Asa izay hitranga rahampitso zoma. Amin’io andro io mantsy, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana, no hatao ny fanadihadiana ifotony ny Lietnà-Kolonely Charles. Momba ity raharaha ity ihany dia mety azo eritreretina ihany koa ny handehanan’ny fitsarana amin’ny volana martsa amin’ny taona ho avy. Ny antony dia satria amin’io vao misokatra ny fotoam-pitsarana manaraka momba ny ady heloka bevava tsotra. Ho hita manaraka eo ihany ny fivoaran’ity raharaha ity. 

r.d
 
sary : Ny Jeneraly Raoelina avy nohenoin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT