Roa taona lasa izay ny raharaha BANI, ka nahasamborana an-dry jeneraly Raoelina, Rakotonandrasana Noel, ny lietna Kolonely Charles, Coutity sy ireo manamboninahitra niara-dia tamin’izy ireo. Nisy 16 izy ireo.
Androm-pifidianana handaniana ilay lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 tamin’io fotoana io. Azo atao hoe nilamina ihany aloha ny eraky ny tanàna satria nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana, na dia teo aza ny savorovoro nateraky ny tsy fahatomombanan’ny lafiny teknika. Teny Ivato kosa dia nanaitra ny mpiara-monina ny nahafantarana fa toa hoe misy andiana miaramila, mivory sy mikomy ao an-dakazerina ao. Nanomboka tonga teny Ivato ny mpanao gazety ary niparitaka amin’izay ny vaovao fa tena misy tokoa ny andiana manamboninahitra nijoro, nivondrona tao anatin’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena ary nilaza fa rava ny andrim-panjakana rehetra ao anatin’ny tetezamita. Ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina no mpitondra teny ka namaky ny fanambarana. Nikorapaka amin’izay ny iray tanàna satria toa ilay “zaza maditran’ny Capsat” izay nanohana fatratra an-dRajoelina tamin’ny 2009 mihitsy ity, no mitady hanongana azy ; amin’izay toa miaraka amina manamboninahitra noheverina fa akaiky ny filoha Ratsiraka sy Ravalomanana izy, ka noho izany tonga dia nihevitra ny rehetra fa tena izy ity ary ho henjankenjana ity raharaha ity. Nanomboka avy hatrany ny fifampiraharahana ka ny Cemgam dia ny jeneraly Ndrianarijaona Andre no nisolotena ny fitondrana tetezamita sy nivezivezy teny Ivato teny.
Totoafo ny fivoriana, efa niomana ny Emmo-Reg satria mety tsy maintsy ho raikitra ihany ny fanafihana, na fifampiresahana aza no noventesina. Ary dia nitranga tokoa ny efa nampoizina, ka ny FIS notarihan’ny kolonely Lylison no niditra an-tsehatra niaraka tamin’ny vondrona miaramila miaro an-dRajoelina, ny sabotsy 20 novambra hariva. Noraisim-potsiny ireto manamboninahitra nitoby tao amin’ny BANI ireto, ary dia vita teo ny fikomiana. Voafehy ny toe-draharaha, hoy ireo be galona tao amin’ny foloalindahy, ary tsy misy andrim-panjakana rava izany. Taty aoriana moa dia maro ny resaka nivoaka toy ny hoe : tokony ho niara-dia tamin-dry jeneraly Rakotonandrasana sy Raoelina ary ny lietna kolonely Charles ny Cemgam, saingy toa hoe nivadika tamin’ny ora farany ity farany. Nisy koa ireo nilaza fa tratry ny tampoka ny Cemgam ary tsy nahalala akory fa tonga dia hanafika ny FIS. Nandeha be ny resaka taorian’izay fa hosoloina ny jeneraly Ndrianarijaona André ka kolonely iray mitana andraikitra tao amina toby iray teto an-drenivohitra no hapetraka amin’ny toerany. Tsy nitranga anefa izany, ary mbola nisondrotra grady ihany ny Cemgam. Dia niboridana teo ny FAT.
Nilaza moa ireto manamboninahitra nitoby tao amin’ny BANI ireto fa tsy nampiharina akory ny fehin-kevitr’ilay fivoriamben’ny miaramila teny Ivato tamin’ny 2009 fa nijanona ho resaka fotsiny. Nanaitra ny mpanao politika ny amin’ny tokony hamahana haingana ny krizy koa izy ireo. Roa taona aty aoriana, mbola any am-ponja ireo manamboninahitra ireo, ary mbola misimisy ihany koa ny miaramila miaraka amin’izy ireo any. Maro no resy lahatra fa diso kajy ihany i Andry Rajoelina sy ny ekipany raha nihevitra fa hampilamina ny fitondrany ny fanagadrana miaramila, ary tena vao mainka nanimba ny foloalindahy izany fihetsiky ny mpitondra tetezamita izany, no sady nahatezitra ny ampahany tamin’ny miaramila. Manahirana ihany anefa rehefa ny miaramila no tezitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.