Politique

Raharaha BANI Ny zava-miafiny


  • Alakamisy 25 Novambra 2010

Maro ny fanotaniana tsy mbola nahitam-baliny mazava mikasika ny raharaha BANI izay niafara tamin’ny fisamborana ireo manamboninahitra miisa 16 nitoby tao ny tolakandron’ny sabotsy 20 novambra 2010.

Nezahina ny nikaro-baovao hahafantarana izay zava-nitranga marina teny Ivato teo anelanelan’ny alarobia 17 novambra nisian’ny fanambarana ny fijoroan’ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena sy ny sabotsy 20 novambra nisamborana ka nandefasana avy hatrany ny sasany amin’izy ireo any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy.

Ny zavatra tsapa dia may volon-tratra ny FAT vantany vao nivoaka ny fanambarana niainga avy ao amin’ny BANI fa mitsangana ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena (KMF). Nanao izay fomba rehetra handravana izany ny fitondrana, eny fa na hampiasana hery aza. Koa satria efa halohalika ny ranombary dia miainga avy eny Mahazoarivo ny fibaikoana, amin’ny maha lehiben’ny OMC ny Praiministra. Raha ny fahitana azy anefa dia maro ny sakantsakana satria nanda tsy hanatanteraka izany ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika (CEMGAM), izay niteny ombieny fa tsy hifanafika ary tsy hifandatsa-dra ny samy tafika. Toa niandany tamin’izay koa ny teo anivon’ny Zandarimaria tamin’ny ankapobeny. Re taorian’izay fa nanome toky ny CEMGAM, ny alakamisy alina, fa hanao fampitan-dresaka sy fanelanelanana. Ny zoma vao maraina tokony ho tamin’ny fito ora teo anefa, dia tsikaritry ny olona ny fisiana kamiao miisa enina tonga teny Ivato ary nitondra miaramila maro, 200 any ho any, izay mirongo fitaovam-piadiana. Natoby tao amin’ny BANI avy hatrany izy ireo. Tsy voamarina kosa anefa izay nandefa azy ireo teny, na araka ny baikon’ny lehiben’ny Etamazaoro, izay lojika kokoa, na hafa. Tsy tena mazava manaraka izay koa anton-dian’ireto andia-miaramila toa miandry baiko fotsiny eo an-toerana ireto.
 
Fa tamin’io andro io, araka ny fantatra, dia nisy ny fihaonan’ny olon’ny Komity sy ireo manamboninahitra tompon’andraikitra amin’ny rezimanta eto Antananarivo notarihin’ny lehiben’ny Hery Vonjy Taitra sy ny COFOANA. Toa tsy nisy ny hevitra tapaka fa ny hevitra anisan’ny nivoitra, dia ny hanomezana ny toeran’ny filohan’ny Komity ho an’ny jeneraly Ndriarijaona André, CEMGAM. Ary mety ho izay no nampihazakazaka ny raharaha, satria re fa ny alin’iny zoma 19 novambra iny, dia natsangan’ny Lehiben’ny Etamazaoro ny “Comité de Médiation” hanelanelana ny fibaikoana miaramila sy ny KMF. Nananosarotra ny fikaroham-baovao nanomboka teo. Tombantombana amin’ny olona mivoaka sy miditra ny toby sisa no nanaovana tsoa-kevitra fa ny sabotsy misandratr’andro no tonga teny Ivato io “Comité de Médiation” izay niisa olona valo, notarihin’ny jeneraly Andriamisa.
 
Aty ivelany anefa amin’io efa miomankomana ao Ambohitsorohitra ny FIS tarihin’ny lietna kolonely Lyllison René de Roland, ary ho eny Ivato. Teny antsefatsefany teny dia re fa nisy olon’ny FFKM tonga teny Ivato koa, mety nanao fanelanelanana hafa koa angamba, saingy tsy misy mipika ny amin’io fa mijanona ho siosion-dresaka ny hoe efa nihaona tamin’i Andry Rajoelina, ka nanaiky ny hihaona aminy ny solontenan’ny Komity. Rehefa nanomboka tolaka ny andro, fiara 4x4 feno miaramila mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no hitan’ny olona mihazo an’Ivato. Amin’io anefa ao amin’ny toby CEMGAM izay nampiantso ny olon’ny Komity hihaona aminy ao amin’ny biraon’ny Chef de corps, tsy mitondra fitaovam-piadiana. Ny fahitana ireo fiara maro nivoaka tao taty aoriana, no ahatsapana fa efa tao anatiny tao koa ireo “Chefs de corps”. Siosiondresaka no andrenesana aty aoriana fa tsy manaiky hiara-dia amin’ny Komity izy ireo. Mety hanaporofo izany ny nisian’ny poa-basy tao anatiny tao tany amin’ny telo ora tolakandro tany, izay naharitra antsasakadiny teo. Azo antoka fa nampisavorovoro tao anatiny tao izany.
 
Ny tatitra nataona mpanao gazety avy amin’ny radio tsy miankina no nahalalana avy eo fa niainga hivoaka ny efitra nivoriana ireo ny olon’ny Komity. Teny an-tokotany anefa dia efa voaomana ny fiara hitondra sy ny fandaminana ny toerana. Niakatra ny hafanana tao ary tsy hatao mahagaga raha romotra ireo FIS ka nikasi-tanana ankoatra ny teny mandratra sofina samihafa. Efa ela nitadiavana an-dry jeneraly Raoelina sy ry kolonely Dzadifara rahateo izy ireo. Ny angom-baovao taty aoriana no nahalalana fa ireo fiara nipetraka teny amin’ny Mess dia voatifitra sy voaroba, toa ny an’ny jeneraly Andriamisa sy ny an’ny lietnà kolonely Charles. Tsy afa-maina koa izay tao amin’ny tranon’ny jeneraly Noel. Re aza fa nalaina hatramin’ny ordinatera roa sy sakaosy. Naterina teny Ankadilalana moa ny folo tamin’ireo Komity, ary ny enina kosa eny Tsiafahy dia ny jly Raoelina, ny kolonely isany Andriamihoatra, Coutiti, Rabezandry, ary Tsiorimanana, izay raha ny ahafantarana azy dia marary mafy tokoa noho ny vono nihatra tamin’izy ireo teny an-dalana.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT