Politique

Raharaha BANI Nanaiky ny Cemgam


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Araka ny loharanom-baovao dia nanaiky ny fiarahana tamin’ireo manamboninahitra ao amin’ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena na KMF teny amin’ny BANI mikasika ny fampihavanana izay atao eo anivon’ny Tafika ny Cemgam.

Nandà kosa anefa izymikasika ny fiarahana tamin’ireo manamboninahitra ny amin’ny hananganana ny KMF teny amin’ny BANI. Io no fantatra vokatry ny fampifanatrehana ireo manamboninahitra telo, ny jeneraly roa Rakotonandrasana Noël sy Raoelina ary ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles sy ny jeneraly Ndriarijaona André, Cemgam, omaly teny amin’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana. Mikasika ny fizotran’ity fampifantrehana ity indray dia fantatra fa nandeha tsirairay ireo manamboninahitra nampifantrehana tamin’ny Cemgam. Nisantatra izany ny jeneraly Raoelina Heriniaina, nanaraka ny jeneraly Rakotonandrsana Noël ary namarana azy sady naharitraritra ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina.

Zava-maromaro no voaresaka tamin’izany araka ny tsilian-tsofina ka isan’ireny ny mikasika ireo manamboninahitra izay isan’ireo nanangana ny KMF nefa tsy voaantso tamin’ny famotorana ity raharaha ity. Isan’ny voamarika tao amin’ity fampihaonana ity ihany koa araka ny fantatra ny fifanorohana fiarahabana nahatratra ny taona teo ammin’ny Cemgam sy ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles. Tsy namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety moa ny Cemgam taorian’ity fampihaonana ity. Mikasika ny tsy nahatanteraka ny fampifanatrehana tamin’ny fotoana teo aloha, ka nitarika fanemorana lava, dia nanazava ny kolonely Théophile Ramanandraibe, serasera eo anivon’ny Etamazaoron’ny tafika fa manaraka rafi-pifehezana ny lehibeny. 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT