Politique

Raharaha BANI Mitsikafona ny taratasy


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

«Ny manampahefana manome baiko no tompon’andraikitra eo amin’izay zava-mitranga”, araka ny fitsipi-pifehezan’ny foloalindahy.

Raha ampiharina tamin’ny zava-nitranga teny amin’iny raharaha BANI nitranga ny volana novambra 2010 io fehezanteny io, araka ny fanazavana, dia tsy afaka miala andraikitra amin’iny ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy na ny Cemgam ka nahavoa ireo manamboninahitra mpikambana teo anivon’ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena na ny KMF. Araka ny fikaroham-baovao natao dia nisy ny ‘Engagement’ na fanenkena an-tsoratra nataon’ny Cemgam ny zoma 19 novambara 2010, ary nahazo izany ny KMF. Taratasy izay milaza sy manamafy fa tsy hisy fampiasana hery ary atao amin’ny alalan’ny fifampidinihana ny zavatra rehetra.

Na teo aza moa ny taratasy dia ny loharanom-baovao hafa milaza fa narahina antso an-tariby izany ho fanamafisana, kinanjo moa tsy izay no niseho fa tsy voafehy ireo miaramila avy amin’ny FIS sy ny «Garde présidentielle», izay mazava loatra fa miandany tsy misy fepetra amin’ireo mpitondra eo anivon’ny FAT. Mazava efa fa tsy voahaja ny teny izay voasoratra, baraingo koa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Cemgam teo anatrehan’izany. Tsy mahagaga raha tonga hatrany amin’ireo hevitra tapaka nandritra ny “assises militaries” ny resaka ankehitriny, indrindra momba ny fandefasana miaramila any am-ponja. Efa ho iray volana mahery moa izao no eny am-ponja ireo mpikambana eo anivon’ny KMF. Samy miandry ny fivoaran’ity raharaha ity ny rehetra, satria mety ho loza mitatao ho an’ny firenena sy ny taranaka ny fiandaniana sy fitanilana amin’ny FAT ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny foloalindahy ary ny fitsarana, izay lasa miharihary loatra amin’izao fotoana.

 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT