Politique

Raharaha BANI Anabavin’ny Kly Charles sy Kly roa nohainoina omaly


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Adelinette, anabavin’ny Kolonely Charles Andrianasoavina, miampy an’ny Kolonely Théophile Ralaimanandraibe, Kolonely Randrenjamahaleo no nohainoan’ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana omaly, manodidina ny raharaha BANI.

I Adelinette dia nohainoina fotsiny ihany amin’ny maha vavolombelona azy. Ny Kolonely Théophile kosa dia nohadihadiana noho izy voalaza fa tompon’andraikitra tamin’ny fampidirana ireo miaramila notaritin’ny Jly Rakotonandrasana tao amin’ny tobin’ny BANI. Anisan’ny nohainoina tao ihany koa ny vinanton’ny Profesora Raymond Ranjeva. Mahakasika ny tetikasa “Vonjy Aina” no nanadihadiana azy tao. Samy afaka namonjy ny fodiany avokoa ireo rehefa vita ny fihainoana azy. Manao tohivakana ankehitriny ny fanadihadiana momba ny raharaha BANI ao Anosy. Tsy maintsy vita mialoha ny faran’ny taona ary tsy maintsy hotsaraina amin’ny tapaky ny janoary 2011, raha vao misokatra ny fitsarana, raha araka ny baikon’ny ministra tompon’andraikitra…

 r.d
 
Kly Charles : Mangataka fifanatrehana amin’ny CEMGAM
Tsy teny an-toerana kosa ny Kolonely Charles omaly raha efa nandeha ny feo fa omaly no hanatontosana ny fanadihadiana ifotony azy. Raha ny filazan’ny mpisolovava azy dia anio na rahampitso farafahatarany no hatao izany. Mangataka fifanatrehana amin’ny CEMGAM ny tenany momba ity raharaha ity, hoy ny mpisolovavany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT