Politique

Raharaha Appollo 21 Manao izay ho afany ny mpisolovavan-dRafanoharana


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Niarahantsika nahita farany teo fa nandeha ny fihainoana mikasika ny raharaha Appollo 21 ary efa nivoaka tao amin’ny CCO na “Cours criminel ordinaire” ny didim-pitsarana, hoy ny mpisolovava Maitre Henintsoa.

Araka ny dingana dia nandeha fitsipahana didy na “cassation” ny dosie izao, hoy izy, ho anay rehetra tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana. Ny kabinetran’ny Maitre Willy Razafinjatovo dia isan’ny nanao izay “pourvois en cassation” izay satria miaro an-dramatoa Voahangy sy andriamatoa Paul Rafanoharana. Tsy mangina ny dosie fa misy dingana maro mbola tsy maintsy arahana any amin’ny fitsarana an-tampony. Isany ny fanaovan’ny mpitsara ao amin’ny fitsarana an-tampony tatitra, izany hoe, mbola tsy maintsy mametraka karazana fehin-teny koa ny mpitsara ao dia rehefa tapitra izay rehetra izay vao mandeha ny fihainoana na “audience”. Tsy mitovy amin’ny “audience” taty amin’ny “cours d’appel” intsony ny ao amin’ny “cours suprême” na fitsarana tampony. Rehefa nivoaka ny didy taty amin’ny CCO dia nomena 2 volana ireo rehetra tsy afa-po nametraka ny atao hoe “requête en cassation” na « mémoire en cassation » rehefa nahavita nametraka ilay fitakiana fitsipahana didy. Rehefa vita izay dia mbola tsy maintsy mametraka tatitra koa ny mpitsara ao amin’ny fitsarana tampony dia izay vao alefa tsaraina ny taratasin’ady. Tsy misy adihevitra lava be toy ny teo aloha intsony izany fa taratasy sisa no alefa ho tsaraina sy amoahan’ny fitsarana tampony didy. Mbola eto Madagasikara izy mivady ary tsy maintsy mbola miandry didy raikitra avy ao amin’ny fitsarana tampony satria tsy mitombona mihitsy ny andefasana an-dry zareo manefa ny saziny any ivelany na dia manana zom-pirenena frantsay aza ry zareo raha tsy hoe efa didy raikitra ilay izy, hoy hatrany ity mpisolovava ity.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT