Politique

Raharaha “Apollo 21” Terena ho melohina fotsiny ireo voarohirohy ?


  • Talata 14 Desambra 2021

Nitohy omaly alatsinainy ny fitsarana ny raharaha “Apollo 21” izay misy resaka fikasana hamono ny Filoham-pirenena, ka Atoa Razakarimanana Férdinand jeneraly

 misotro ronono sy Aina Razafindrakoto mpiasa teo anivon’ny Banky Foiben’I Madagasikara no nohenoina omaly. Nanda ho tsy nahafantatra ny fisian’izany ny Jeneraly Razakarimanana Férdinand. Mihevitra ny tenany, fa natao sorona amin’ity raharaha ity, ary heveriny fa tsy misy akory. Anarany voasoratra ao anaty “mail” na mailaka nalefan’ny jeneraly Ramahatra Victor no nahavoasaringotra azy. Isan’ny voatonona hatao minisitry ny fiarovam-pirenena ny tenany, raha hisy ny fanovana governemanta, ary I Paul Rafanoharana moa dia voalaza fa naniry ny ho Praiminisitra. I Aina Razafindrakoto kosa dia voapanga ho mpiray tsikombakomba tamin’ny famolavolana ny tetibola hoenti-manatanteraka ny “Apollo 21”. Nanda hatramin’ny farany ary nilaza ho tsy mahalala izany anefa izy, saingy efa naheno ny fisiany. Nilaza ho tsy nanana eritreritra hamono ny Filoha ary tsy manana traikefa amin’izany. Nilaza ny tenany fa fiaraha-miasa tamin’I Paul Rafanoharana tao anatin’ny orinasa Tsara First no antom-pifandraisan’izy ireo. Nambarany fa tena nisy ny orinasa, ary tao an-tranony ny biraon’izany. Raha ny hita tao anatin’ny herinandro izao dia maivana ireo porofo nenintana niampangana ireo voarohirohy ary samy nanda an-kitsirano ny vesatra iampangana azy avokoa ireo rehetra niatrika ny fitsarana. Basy poleta ve no entina hamono filoham-pirenena, ohatra. Hatreto tsy mbola nisy fanadihadiana nampiseho fa tratra tatsy na taroa ny fitaovam-piadiana mahery vaika niaraka tamin’ny bala niketrehana hamono olom-panjakana ambony . Tombanana ho vita amin’ity herinandro ity ny fakana am-bavany ireo olona 20 voarohirohy amin’ity raharaha ity, ka dia andrasana ny fivoarany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT