Politique

Raharaha “Apollo 21”  Nanjavona ny porofo sasany  Misy olona akaiky ny Filoha mila hadihadiana


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Ilay Kolonely Frantsay misotro ronono François Philippe sy ny Praiminisitra tamin’ny fotoan’andron’ny Amiraly Ratsiraka dia ny Jeneraly Victor Ramahatra

 indray no isan’ny niverenana nohenoin’ny Fitsarana momba ny raharaha “Apollo 21” omaly 14 desambra. Fampisehoana ny porofo na « pièce à conviction » saika hoentiny manaporofo fa manana anton’asa mazava fa tsy izany resaka “Apollo 21” no saika hataon’i François Philippe, saingy voalaza fa nisy namafa tao amin’ny solosaina fampiasany ny antontan-kevitra sasany. Niaka-peo izy ary nisy karazana fifamaliana mihitsy teo aminy sy « avocat général » noho io resaka famafana antontan-kevitra io. Teo ihany koa ny «clé USB » voalaza fa misy antontan-kevitra mifandray amin’ny “Apollo 21” kanefa voalaza ihany koa fa nisy namafa. Ampahana antontan-kevitra sy porofo voalaza fa tokony hasehon’ny Jeneraly Victor Ramahatra ihany koa no voalaza fa nisy namafa. Hisy fikarohana sy fanadihadiana momba ireo antontan-kevitra ireo ka aorian’izay vao afaka miteny ny fahamarinan’izany na tsia, raha ny làlan-tsaina nentin’ny fitsarana. Efa saika nohenoin’ny Fitsarana avokoa moa ireo manamboninahitra ambony miisa 5 voatonontonona tamin’ity raharaha ity, saingy nandà hatramin’ny farany ny fiampangana azy.
TOKONY HOHENOINA
Isan’ny nitaraina tany amin’ny fampahalalam-baovaon’ny RFI ny mpisolovava an’ireo voapanga momba ny tsy fahatongavan’ny olona hafa tokony hohenoina. Tamin’ny andro voalohany mantsy dia nisy ny olona notonin’i Paul Rafanoharana toa an-dRtoa Michou mpanolontsain’ny Filoha, mpanolontsaina voalohany masoivohon’I Madagasikara any Paris. Voatonona ihany koa ny anaran’ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Lova Ranoromaro tamin’ny andro faharoa. Toy izany ihany Atoa Patrick Rajoelina Minisitry ny raharaham-bahiny ankehitriny, fony izy mpanolontsaina ara-diplaomatikan’ny Filoha. Voalaza fa nangataka anarana olona hatolotra tamin’ny voarohirohy anefa izy ireo. Voatonona ihany koa ny Mpandraharaha ara-tsolika iray antsoina hoe Romie sy Rtoa iray antsoina hoe : Florence izay nambaran’i Paul Rafanoharana fa nanome ny 900 tapitrisa Ar. Raha tsy misy fihainoana an’ireo dia mbola handringa ny raharaha, hoy ny mpiaro ireo voapanga sasany. Mampiahiahy io tsy fiantsoana ny voatonontonona sasany io hoe : misy zavatra hafenina ve ka ireto efa nosamborina ihany no terena halentika ?
Toky R
Légende : Nandritra ny fitondrana ireo voarohirohy amin’ny « Apollo 21 » tetsy amin’ny Fitsarana Anosy omaly.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT