Nametraka ny taratasy fampiakarana ny raharaha hangatahana fandravana didy teny amin’ny Fitsarana mpandrava didy na «Cours de cassation »
ireo mpisolovavan’ireo voaheloka an’ireo voaheloka amin’ny raharaha « Apollo 21 » omaly alatsinainy 20 desambra. Ho fanoherana sy fangatahana fandravana ny didy nivoaka ny zoma lasa teo izany, izay tsiahivina fa olona miisa 6 tamin’ny 20 no nohelohin’ny Fitsarana misahana ny heloka bevava. Tsiahivina fa asa an-terivozona 20 taona ho an’i Paul Rafanoharana, asa an-terivozona 10 taona avy ho an’I Aina Razafindrakoto sy Marc François Philippe. Asa an-terivozona 5 taona ho an’ny vadin’i Paul Rafanoharana, ary 5 taona sazy mihantona avy ho an’ny jeneraly Victor Ramahatra sy Yvon Randriazanakolona na Sareraka. Samy manana ny mpisolovavany avy, saingy amin’ny ankampobeny dia samy maneho ny tsy fanajana ny zon’ny fiarovana, ny tsy fisian’ny porofo manamarina ny fanamelohana,… ireo mpiaro. Nilaza kosa ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza omaly fa voahaja ny fahaleovantenan’ny Fitsarana tao anatin’ny fandraisana an-tànana ity raharaha ity, ary toy izany ihany koa ny zon’ny olona voakasika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.