Politique

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora


  • Zoma 05 Jona 2020

Niverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiainan'ny vahoakan'ny Toamasina taorian'ny savorovoro nisy tany an-toerana ny alarobia teo noho ny nahitana ilay tovolahy tsy salama izay tsy fantatra izay nahazo azy, taorian'izay raha ny nambaran'ny governoran'ny faritra atsinanana, Richard Theodore Rafidison.

 

Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon'ireo tompon'andraikim-panjakana tany an-toerana ka nampiravona tanteraka ity disadisa ity. Omaly dia nisy ny fivoriana niarahan'ity governoran'ny faritra atsinanana ity tamin’ireo Raiamandreny ara-drazana, Tangalamena, Ampanjaka isaky ny foko misy any an-toerana mba hitondra fanentanana ny mponina isan-tokantrano mba tsy hanaraka ny fandrebireben-tsaina izay ataon'olom-bitsy, hoy hatrany ny fanazavana.Manaraka ny fepetra apetraky ny fitondrana momba ny fihiboana ny vahoakan'ny Toamasina. Nohamafisin'ny governoran'ny faritra atsinanana ihany koa fa efa nampitomboana ny toerana andraisana ny marary toy ny eny amin’ny Centre Analamalotra sy Foyer Social Canada ary CRJS. Mahakasika ny fitaovana kosa toy ny fanalana hasemporana na « appareil respiratoire » dia niampy 7 isa izany taorian'ny fandalovan'ny filoham-pirenena tany an-toerana, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT