Politique

Raharaha any atsimo Ny fanjakana mihitsy no mamono olona


  • Alakamisy 22 Novambra 2012

Henjana dia henjana ny tatitry ny fikambanana miaro ny zon’olombelona Amnesty International, nivoaka ny talata teo, momba ny ambarany fa fihoaram-pefy nataon’ny mpitandro filaminana Malagasy nandritra ny “Opération Tandroka” tany atsimo.

 Nisy ny fampiasan-kery an-jambany nataon’ny mpitandro filaminana, hoy ny amnesty International, anisan’izany ny olona nodorana velona tao an-tranony, ny fanapotehana ny voly, ny famonoana zazavavy kely vao 6 taona monja, ny famonoana olona kilemaina iray, ary ny famonoana ny vady sy ray aman-drenin’ny olona iray ahiana ho dahalo. Mampihoron-koditra ny fijoroana vavolombelona azon’ity fikambanana ity, izay mihevitra fa “efa ny fanjakana mihitsy no mamono olona” any atsimo ary efa azo adika ho fanitsakitsahana tsy roa aman-tany ny zon’olombelona ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana tany. Miantso ny fitondrana tsy voafidim-bahoaka tarihan’i Andry Rajoelina ary ny Amnesty International mba hanokatra fanadihadiana mahaleotena mba hanolorana eo amin’ny fitsarana ireo tompon’andraikitra, amin’ity zava-doza mitranga any atsimo ity, anisan’izany ireo manamboninahitra ambony avy amin’ny mpitandro filaminana.

Ho an’ny Amnesty International dia mety hamparefo ny filaminana sy ny fiahiana ny ain’ny sivily any atsimo, ny herisetra nitranga tany, indrindra moa fa miha manakaiky hatrany ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana mey 2013. Araka ity tatitra ity ihany dia 250 eo ho eo ny olona maty tany Tolagnaro sy ny faritra manodidina azy, vokatry ny fifandonana noho ny halatra omby. Mety mbola mihoatra lavitra an’io anefa ny isan’ny maty, hoy ihany ny fanambarana. “Diso tanteraka” ny filazan’ny mpitandro filaminana Malagasy fa hoe tsy misy afa-tsy dahalo mpangalatr’omby ireo maty nandritra ny fifandonana tany atsimo, hoy hatrany ny Amnesty International, satria misy ny porofo sy fijoroana vavolombelona milaza ny mifanohitra amin’izany. Manamafy ihany koa ity ONG iraisam-pirenena ity fa nitazam-potsiny ny fifamonoana teo amin’ny samy sivily tany Amboasary Atsimo ka nahafatesana olona efa ho 86, tamin’ny alalan’ny tsatok’antsy dia fampiasana famaky ny mpitandro filaminana, kanefa dia efa nahafantatra mialoha fa hisy mponina avy amina tanàna iray, hanafika tanàna iray nambara fa nipetrahan’ny dahalo.

Hevitry ny Tia Tanindrazana 

Famonoan’olona, fanosihosena tsotra izao ny zon’olombelona, fanapotehana fananan’olona, famelana ny samy sivily hifamono….tena henjana ny tatitry ny Amnesty International amin’ny fanakianana ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana nandritra ny “Opération Tandroka”. Mandiso tanteraka ny fanambarana nataon’ny mpitandro filaminana Malagasy izany, ary manaratsy endrika tanteraka ny fitondrana tetezamita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria matanjaka dia matanjaka ity fikambanana ity. Dia efa mihanjahanja maneran-tany indray izany izao, fa nisy ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana Malagasy, nitarika fahafatesana sivily tsy manan-tsiny. Ka asa indray izay hambaran’ny manampahefana manoloana izany. Sa ve dia ny mpanao gazety indray no ambara fa manaparitaka vaovao tsy marina ary avy eo dia hotoriana eny amin’ny fitsarana ihany koa ny fikambanana Amnesty International ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT