Amin’ity herinandro ity no handray fanapahan-kevitra momba ny raharaha goavana mahakasika minisitra 4 teo aloha ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Minisitra 3 aloha no re sy fantatra anarana fa voatonona ao anatin’io, dia ny Minisitry ny mponina teo aloha Rtoa Onitiana Realy, ny Minisitry ny fanajariana ny tany tamin’ny tetezamita Reboza Julien, Minisitry ny tontolo iainana teo aloha Anthelme Ramparany, izay tsy eto Madagasikara amin’izao. Dosie maro no efa teo an-tànan’ny PAC toy ny an’ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha voasaringotra amina kolikoly 700 tapitrisa ariary voalaza fa narotsaka tamin’ny kaontiny manokana, minisitry ny paositra teo aloha voasaringotra tamina tsenan’asam-panjakana tsy nisy asa (marché fictif) mitentina 5,9 miliara ariary, Minisitry ny mponina teo taloha voatonontonona amina kolikoly 1 miliara ariary, ny an’ny Praiminisitra teo aloha,.... Efa voaray ny dosie miisa 4 avy amin’ny PAC, efa eo am-pamolavolana sy fijerena ireo dosie, ka hampiantso ny kaomisionina eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ary ireo no manapaka hoe antsoina ireo voakasika sa tsia, afaka manazava ary mety hanana mpisolovava. Aorian’izay vao misy ny fananganan-tànana ao amin’ny fivoriam-be. Mbola tsy nisy ny fampahafantarana an’ireo minisitra voakasika hatreto, raha ny fanazavan’ny Depiote Tsabotokay Honoré. Mety tsy ho afaka hanapa-kevitra ny Kaomisionina, fa tonga dia any amin’ny Fivoriam-be ny baolina. Efa misy ny dosie sy fehin-kevita avy amin’ny Bianco, ary mbola afaka hanazava eo anatrehan’ny solombavambahoaka ireo Minisitra. Ny zoma ho avy izao no andrasana ny tatitry ny Kaomisionina. Anjaran’ny depiote tonga mivory no mananga-tànana na halefa amin’ny HCJ na mijanona ho afera mikatona (dossier classé) ireo fanenjehana. Saika minisitra tamin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina no ankamaroany ka asa rahoviana ny an’ireo ankehitriny?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.