Niakatra teny anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana omaly ny raharaha mampifanolana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasan-tserasera MBS.
Nolavin’io rafi-pitsarana io ny fangatahana fampiatona ny fampiharana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ben’ny tanàna izay manafoana ny « Contrat de Bail » na fifanarahana fampanofana tany teo amin’ny 2 tonta, araka io didim-pitsarana omaly io. Raha ny fanazavana efa nentin’ny mpisolovava ny MBS Maître Eloi Ratefimahemijoro moa, dia 50 taona ny fifanarahana teo amin’ny CUA sy ny MBS. Fanapahan-kevitra lany teo anivon’ny Filan-kevitra monisipaly tamin’izany io, ary tokony hisy ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Fanapahan-kevitry ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina manokana kosa ny fanapahana ny fifanarahana ka nanomezana fe-potoana 6 volana ny MBS hiala eny Anosipatrana. Nilaza io mpisolovava ny MBS io omaly, fa mbola hanao fampiakarana, ary ho hita eo ihany ny tohiny. Notsiahiviny ny hoe fanapahan-kevitra noraisin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana iny. Ara-politika, dia heverina ho tsindry na “pression politique” kendrena hifehezana sy hampanginana an’I Marc Ravalomanana ny zava-misy amin’ny antsojay atao amin’ny orinasany. Somary nampiaka-peo rahateo ny mpanohitra tato ho ato, izay izy no mpitarika, ary iny efa niaraha-nandre iny ny fanambarana fa hanao hetsika lehibe ny RMDM aorian’ny fihibohana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.