Politique

Raharaha 7 Febroary Famonoana afo sisa


  • Sabotsy 03 Novambra 2012

Mafanafana ny toe-draharaham-pirenena. Miandry fotsiny ny governemanta ny CST sy CT amin’ny resa-bola. Manao ranolava ny tsikera mikasika ny asa fampandrian-tany any Atsimo, satria dia be loatra ny olona vonoina tsy mandalo fitsarana ankory, Remenabila fototry ny hetsika manokana anefa tsy azo.

 Iaraha-mahita ny zava-mitranga eny amin’ny oniversiten’i Toamasina sy Antananarivo, vokatry ny fitakiana vatsim-pianarana. Tsy milamina ny SEMPAMA sy PARAMED. Izao mipoitra koa ny fifanolanan’ny zandary sy ny mpiandry fonja. Ny krizy moa dia io ifandroritana io, hampiharina ny tondrozotra sa tsia ? Tsy manan-karoso hamahana ny olana ny fitondrana FAT ka dia nohetsehina indray ny raharaha 7 febroary 2009 mba hanodinana ny saim-bahoaka. Rehefa tsy hita elaela dia nantsoina ary napoitra indray omaly i David Erleigh, ilay mpisolovava teratany Afikanina tatsimon’ny AV7 na ny fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009. Nambarany fa noho ny fanadihadiana nampanaovin’ny fitsarana Afikanina Tatsimo momba ny raharaha 7 febroary no tsy hahafahan’Atoa Marc Ravalomanana mandao an’ity firenena ity, fa rehefa vita kosa ny fanadihadiana dia afaka mihetsika amin’izay izy. Nambaran’ity mpisolovava ity ihany koa fa hoe atao lavanty ny fananan’ity filoha teo aloha ity ka ny vola azo avy amin’izany no handoavana ilay onitra 23 tapitrisa dolara nangatahan’ny AV7.

Dia mba mahagaga ihany ny resaka tahaka izany satria, na tsy mbola vita tsara akory aza izany ny fitsarana dia efa any amin’ilay volabe 23 tapitrisa dolara ny eritreritry ny AV7 sy ny mpisolovava azy. Tsy mbola tena azo antoka koa anefa fa hanameloka an’Atoa Marc Ravalomanana noho ny raharaha 7 febroary teny Ambohitsorohitra ny fitsarana any Cape Town Afrikana Tatsimo. Hafa indray ny resaka raha toa hoe ny fitsarana iraisam-pirenena no nandray an-tanana ny raharaha, kanefa mbola lava dia lava ny dingana arahana amin’izany noho ireo fanadihadiana isan-karazany tsy maintsy atao eto Madagasikara. Mipetraka ihany koa ny fanontaniana eto hoe : fa ilay Marc Ravalomanana filoham-pirenena sa sivily no resahana ? Raha nahavita heloka amin’ny maha filoha azy izy, dia nahoana moa no ny fananany, izay iombonany amin’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany, no terena tsy maintsy atao lavanty ?

Ny manaitra kely ihany koa dia isaky ny miresaka na maneho hevitra ity mpisolovavan’ny AV7 ity dia tsy maintsy misy resa-bola foana; ary indraindray aza tsapa mihitsy fa toa adino ireo maty sy nitondra takaitra fa afantoka any amin’ny vola ny resaka. Nohetsehana sy naverina resahana indray moa izao faran’ny herinandro izao ny fitsarana an’i Marc Ravalomanana satria mety efa mandodona ny sasany ny fiverenan’ity filoha teo aloha ity, izay hita mihitsy fa tsy azo ihodivirana rehefa tena nodinihana ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena sy ny zava-misy eto an-toerana. Raha ny fandinihana azy dia tsy manana afa-tsy io raharaha 7 febroary io mba hanaratsiana sy handetehana ary hikasana hanagadrana an’i Marc Ravalomanana, i Andry Rajoelina sy ny ekipany koa dia io foana no tanisaina sy atao tsianjery isaky ny mihetsika. Efa famonoana sy fandripahana olona, azo sokajiana ho “crime contre l’humanite” na “Genocide” mihitsy anefa ny mitranga any atsimo, fa mangina ireo manampahefana; ary mbola miaro ny miaramila sasany indray aza. Atoa Marc Ravalomanana foana no soketaina fa nampamono olona kanefa marefo ny porofo eo am-pelatanana, fa raha mafonja sy tena mitombina, araka ny lalàna, izany porofo izany dia efa ela ity filoha teo aloha ity no nigadra, ary na i Afrika Atsimo aza, tsy nidi-kizo nampiantrano azy izany.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT