Tsy mitsahatra ny mitaky ny fampiharana ny fahamarinana eto amin’ny firenena ny HMF, araka ny teny filamatrany hoe : “Fahamarinana manandratra ny Firenena”.
Mba hampahomby izany dia miantso ny firaisankinan’ny mpino sy mpiray tanindrazana ny HMF. Koa hisy fanompoam-pivavahana ao Antsahamanitra hotarihin’ny HMF ny sabotsy 24 novambra izao manomboka amin’ny 11 ora antoandro, iantsoany ny rehetra, araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo tao amin’ny Au Bon Accueil eo Ambatonakanga omaly maraina. Nandritra izany no nanamafisan’ny HMF ny fitakiany ny fahaleovantenan’ny Fitsarana, ka hanokafana fanadihadiana momba ny zava-mitranga any Atsimo, ny raharaha 26 janoary sy 7 febroary 2009. Tetsy ankilan’izay dia nisaotra ny fivondronamben’ny Eveka katolika ihany koa ny HMF tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo farany teo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.