Poa toa izay dia niparitaka vetivety tao anaty tambazotran-tserasera omaly ny sarina lehilahy iray nitazona soratra miangavy ireo filoham-pirenena Malagasy teo aloha,
Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana ary ny ankehitriny, Andry Rajoelina, mba hihavana faingana. Milaza ny hamono tena ity lehilahy ity rehefa tsy mihavana ao anatin'ny 14 andro ireto mpitondra nifandimby ireto. Mangataka ny hihavanan'ireo filoha nifandimby, ka manome 14 andro aho, hoy izy, mba hanatanterahana izany eo imason'ny vahoaka Malagasy, fa raha tsy mihavana izy ireo dia aleo ny aiko no afoiko afaka 14 andro. Andrasana, araka izany, izay hitranga ao anatin’izay 14 andro izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.