Politique

Raha tena tia sy miaro ny vako-pirenena Nahoana no nodorana ny RNM sy TVM ?


  • Zoma 06 Novambra 2020

Tena tia sy sarotina amin’ny vakoka sy harem-pirenena tokoa ve ny Fanjakana ankehitriny sa sanatria manao izany ho fitaovana politika hakana fom-bahoaka?

 

 

 

Famotehana sy fanivaivana ny vako-pirenena ve hisy ohatran’ny fandorana sy fandrobana ny haino aman-jerim-pirenena dia ny TVM sy ny RNM tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009? Isan’ny tandindon’ny fiandrianam-pirenena ny izany radiom-pirenena sy ny fahitalavi-pirenena izany. Nirakitra sy nitehirizana ny vakoka ara-tantara, ara-kolontsaina, ny tantaram-pirenena, saingy potika sy hotohoton’ny afo noho ny hambo-po politika. Tsy famohazana fota-mandry fa moa tsy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina no toa nitsodrano ny olona handeha hanaotao foana tamin’ireny fotoan’andro ireny ka niteraka fandrobana sy fandorana samihafa ary isan’ny lasibatra ny fananam-pirenena? Mbola toerana nisy ny haino aman-jerim-pirenena taloha ihany koa ny trano nisy ny Ofisim-pirenen’ny tontolo iainana na ny ONE tetsy Antaninarenina izay tato anatin’ity Fanjakana ity no fotoana nahamay azy. Asa re mba nanao ahoana ny tohin’ny fanadihadiana momba iny raharaha iny? sa vitavita ho azy toy ny tamin’ny RNM sy TVM ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT