Politique

Rafidinjatovo Zafimahaleo dit Fidison Vonona hitarika hetsika ao


  • Alakamisy 04 Oktobra 2012

Vonona ny hitarika ny hetsika ao Fianarantsoa ny tenako miaraka amin’ireo CT sy namana hafa, hoy Rafidinjatovo Zafimahaleo dit Fidison avy amin’ny ankolafy Zafy Albert tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.

 Isika tsy naman’ny mihemotra, hoy izy, ka na inon-kitranga, na inon-kidona dia roso toy tsa mipody koa… Vao avy tany Fianarantsoa aho tamin’ny herinandro lasa teo, hoy izy, ary rehefa nangataka tso-drano tamin’ireo raiamandreny isan-tokony dia niditra niteny nivantana tao amin’ny tele Sofia sy ny Radio Mampita ka nanao ny tatitra ny zava-misy amin’ny fanohizana ny tolona eto amin’ny Magro Behoririka sy nanazava tamin’ny antsipirihany ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny ary koa nampiomana ny mpiara-mitolona sy Fianarantsoa manontolo amin’ny fitsenana an’i Dada ho avy tsy ho ela.

Raha ny marina, hoy i Fidison, dia ry Pety Rakotoniaina no misakana ny tsy fahazoan’ny olona manao hetsika tao amin’ny Magro tany an-toerana. Efa tonga saina anefa ny mpomba azy ireo tamin’ny tsy fetezan’ny fanonganam-panjakana natao tamin’ny 2009 ankehitriny. Mangorohoro amin’ny fehenoana ny fodian’i Dada ny mpanongana azy ankehitriny. I Fianarantsoa anefa dia mila ny fahatongavan’i Dada fa tena manina azy satria efa mihapotika sahady ny lalana namboariny hatrany Camp Robin mandra-pahatonga any amin’ny “croisement” noho ny tsy fisian’ny fikarakarana intsony. I Fianarantsoa ihany koa mila fandrosoana fa tsy hanjakan’ny mpangarom-paosy sy zatozato (mpisam) tahaka ny amin’izao fotoana izao.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT