Angatahan’ny mponina eny amin’ny faritra iva notarihan’ireo fikambanan’ny mpivarotra eny amin’ny tsenan’ny Boriborintany faha-4 hirotsaka hofidiana Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra, Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny tambajotra Hafari Malagasy.
Natao ny safidy hoy izy ireo satria «voalohany : tsapa ny fiarovanao vahoaka indrindra ny fiarovanao ny maha olona. Faharoa, eo ny traikefa hanananao. Fahatelo ny fahaizanao mamaha ireo olana ara-tsosialy. Fahefatra ny fahaizanao nifampiresaka amin’ny manana olana sy ny fahatsoram-po nanananao ary fahadimy dia ny fanoheranao ny tsindry hazo lena. Ireo rehetra ireo dia niampy ny fanaovanao ny ainao tsy ho zavatra nanehoanao fitiavan-tanindrazarana ka niadianao ho an’ny vahoaka, ny fitsinjovanao manokana ireo zokiolona sy ireo tsy manam-piahy, ny zaza amam-behivavy voan’ny herisetram-piarahamonina, ny fanoheranao ny fanjakazakan’ny mpanambola amin’ny resaka ady tany … Akaiky vahoaka ianao noho izany rehetra izany ary tsy mpanao politika ka azo antoka ny hisokafan’ny Lapan’ny tanàna ho anay vahoaka rehefa mby eo amin’ny toerana ianao». Namaly an-tsoratra ny fangatahan’ireto vahoaka ireto moa Atoa Jean Nirina ka nilaza fa : «manohina ny foko ary tsy nampoiziko ny fangatahanareo. Zava-dehibe izany fahatokisanareo ahy izany ka mankasitraka fa mbola hieritreritra kely ny tenako ary hanome valin-teny tsy ho ela».
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.