Rado Razafindratsimba

> Mbola vonona ny hilatsaka ho Ben’ny tanŕnan’i Talatamaty


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014


Mbola vonona ny hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Talatamaty, Distrikan’Ambohidratrimo ny Ben’ny tanàna am-perinasa Rado Razafindratsimba, Ny sabotsy teo, nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2014 nifanaovany tamin’ireo mpiara-miasa aminy no nanambarany tamim-pomba ofisialy izany, taorian’ny fangatahana nataon’ireto farany. Nambarany fa mbola vonona ny tenany hanohy ireo asa vitany tao amin’ity Kaominina ity hatramin’izay, raha toa ka sitraky ny vahoaka. Na dia teo aza mantsy ny krizy, hoy ihany ity Ben’ny tanàna ity dia tsy niraviravy tanana izy sy ireo mpiara-miasa aminy nanatontosa ireo asa nandrasan’ny vahoaka taminy ka anisan’ny lehibe indrindra ny fanitarana ny biraon’ny Kaominina hanjary hisy rihina, ny fampitomboana isa ireo tranon-tsekoly eny anivon’ireo Fokontany maro samihafa … Tsy latsa-danja tamin’izany ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa tsy tapaka, ankoatra ny resaka fandriampahalemana izay nanokanan’izy ireo vola mihitsy toy ny kojakoja ilain’ny mpitandro ny filaminana sy ny solika hampiasain’ny fiara. Fantatra moa fa olona maromaro no efa mikendry ny hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna ao amin’ity Kaominina ity ankehitriny koa ho hita eo ihany izay tena tian’ny vahoaka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT