Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.
Ankoatra ny fanamboarana sy fananganana sekoly vaovao dia hisy ihany koa ny famatsiana fitaovana toy ny dabilio. Anisan’ny hahazo tombony manokana amin’izany ny kaominina Ampitatafika. Ho an’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina dia anisan’ny hetahetany sy hangatahiny ny hanaovana mangarahara ny fitantanana ny CLD mba hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany. Na izany aza dia anisan’ny efa tafiditra ao anatin’ny tetikasany ny hanamboatra lalana hatrany amin’ny 9 km sy hanampy efitrano amina sekoly ambaratonga fototra maromaro ao an-toerana. Hiroso amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny kaominina ihany koa ny tenany ka ankoatra ny fametrahana camera isaky ny efitrano mba hahitana sy hitarafana ny fomba fiasan’ny tsirairay dia hisy ihany koa ny fametrahana fitaovana hisian’ny mangaraharaha tanteraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.