Nilatsaka omaly ny fampahafantarana na « affichage » fa ho atao lavanty ny 28 mey izao manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fananan’ilay mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana.
Eny amin’ny foiben’ny groupe Ny Rado eny Bevalala, toerana izay nanaovana ny fanagiazana na « saisie », an’ireo entana ihany moa no hanatanterahana ity lavanty ity. Ny Rado Rafalimanana, raha tsiahivina dia mpandraharaha filohan’ny fikambanana Fanahy maha olona. Efa maro ny fifanolanana nisy teo aminy sy izao fitondrana izao izay matetika dia mifototra hatrany tamin’ny filazana ho faniratsirana mpitandro filaminana sy manam-pahefana. Ny fiandohan’ny volana aprily teo izy no naiditra vonjimaika am-ponja (MD) teny Antanimora noho izay resaka faniratsirana izay hatrany, raha ny fampitam-baovao, saingy mampametra-panontaniana koa hoe tena hatreo tokoa ve sa mbola misy ambadika hafa? Isan’ireo entana ho amidy amin’ny 28 mey io ny machine imprimante journal « gazety » misy akora miisa 5 mitondra ny marika Hurst bs speed master mitondra ny n° de serie fabi – nr 061 103 sy machine imprimerie journal « gazety » misy akora 5 hafa sy fitaovana feno marika Hurts bs speed avec master sortie f2,machine imprimante grafishe technik gm bh ref. d-8901 stad + bergen marque bvs. Eo koa ireo fitaovana fampiasa amin’ny fambolena toy ny traktera maro samihafa sy fitaovana famokarana ambioka. Ny andiany farany moa dia fitaovana ilaina amin’ny tontolon’ny haino aman-jery sy fakan-tsary hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.