Raha ohatra hiditra kely amin’ny fanarenana ny toe-karena, dia ny fiverenana amin’ny famokarana sy ny fanjifana anatiny aloha no zava-dehibe,
raha ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny toekarena sy ny vola ary ny tetibola teo aloha Atoa Radavidson Andriamparany. Aorian’ny coronavirus, dia mbola tsy tena hiverina amin’ny laoniny ny fanjifana any ivelany satria samy sahirana ny firenen-drehetra. Tsy mbola ho haingana dia haingana ny fiverenana raha ny fanondranana any ivelany no antenaina. Noho izany, dia ny fanjifana sy famokarana ato anatiny no tokony harovana sy hampiroboroboana haingana satria ireo ihany koa no miteraka asa eto amin’ny firenena, hoy izy. Aoka hitodika bebe kokoa amin’ny maro an’isa eto amin’ny firenena, dia ny any ambanivohitra. Tena tokony homena lanja be ny famokarana miainga amin’ny tany satria zava-dehibe ny fiverenana amin’izany ho amin’ny fampandrosoana, hoy Radavidson Andriamparany. Ara-tsosialy, dia tsy maintsy misy ezaka tokony hataon’ny fitondram-panjakana manome izay azony rehetra hatao: sakafo, fitsaboana, fampianarana, fandriampahalemana, ary tsy maintsy jerena ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Tokony hamaivanana araka izay azo atao ny zavatra jifaina andavanandro, ny resaka fitaterana, ny vidin-tsolika, jiro sy rano, izay tena ilaina hamaivanina ny fiainana andavanandron’ny mponina mba hanamaivana ny fahasahiranana, hoy ity Minisitra teo aloha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.