Naneho hevitra manoloana ny krizy ara-pahasalamana ny mpanao politika, Radavidson Andriamparany. Zavatra roa no andrasany amin` ny fitondram-panjakana amin` izao fiatrehana ny aretina COVID-19.
Voalohany, ny fanarenana ny fiainam-bahoaka. Mitombo hatrany mantsy ny hantsana eo amin`ny mahantra sy ny mpanakarena. Faharoa, tsy tokony hiankin-doha amin` ireo firenena vahiny isika. Iaraha-mahita ny zava-misy amin` izao amin` ny fanafarana sy fanondrana entana avy any ivelany. Midika izany fa tokony omena sehatra misimisy kokoa ny tsena anatiny. Notsipihan` ity minisitry ny vola teo aloha ity manokana fa ny fialana amin'ny fahantrana no mahamaika sy zava-dehibe ho an` ny olona amin` izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.