Politique

Radavidson Andriamparany Fotoana hahafaha-manatsara ny ho avy izao


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Nitondra ny heviny manoloana ny zava-misy Atoa Radavidson Andriamparany Benjamin avy amin’ny K3F (Komitin'ny Fahamarimanana Fandriampahalemana Fiadanana) ny sabotsy teo.

 

 

 

 

 

 Efa minisitry ny vola sy ny tetibola, minisitry ny fanabeazana, efa kandida filoha moa ny tenany. Tsara ihany manao jery todika sy maka lesona hanatsarana ny fomba fitantanana, hoy izy. Tsy ho araky ny fanjakana ny hizara fanampiana isan-tokantrano, tsy ho zakan'ny toekarena. Ny resaka Komity loharano, vary mora,… vao maika manakorontana: mampiady, miteraka fifampialonana,… Izahay K3F dia mametraka fa raha tsy miverina ny fahamarinana dia tsy misy fandrosoana azo antenaina izany eto, hoy Radavidson Andriamparany. Mila araraotina hijerena ifotony ny zava-misy ny fandalovan’ity covid 19 ity. Ahoana ny fanabeazana, ohatra, satria tena latsaka ambany be io? Misy malagasy tsy mahalala ny covid 19 akory. Ny lafiny ara-toekarena, inona no tokony hamboarina fa tsy hoe hiantehitra fotsiny amin’ny fanampiana avy any ivelany. Ho loza satria mangeja antsika ireny fanampiana ireny. Fotoana izao hijerena paikady manokana hanetsehana ny zavamisy eto amintsika. Misy vola be dia be mifamezivezy eto kanefa tsy voafehy ka mahatonga fikorontanana. 1,6%¬ no tombatomban'ny fitombon'ny harinkarena. 2,5% anefa fitombon'ny mponina. Miiba anie izany, izany hoe tsy misy fandrosoana eto, hoy ity mpanao politika ity. Raha miankin-doha isika dia ny fepetra any ivelany no arahantsika, mety tsy mety amintsika akory fa dia tsy maintsy ekena. Samy hafa ny hoe adihevitra sy fanakianana, hoy izy. Aoka isika tsy ho variana amin’ny coronavirus fotsiny fa mandinika sy mametraka paikady hanatsarana ny fiarahamonina sy ny fitantanana ny firenena, hanamafy orina ny fihavanana, hoy Radavidson Andriamparany.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT