Nandritra ny 60 taona nahazoana fahaleovantena dia niara-nahita fa ny adilahy politika no anisan` ireo nitarika ny tsy fahombiazana teo amin` ny fampiroboroboan` ny toekarena teto amintsika.
Ny fanajàna ny fanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fitoniana ara-politika rahateo no fepetra takiana `ny mpiara-miombaon-antoka amin`ny fampandrosoana. Ny asa vitan’ny mpitantana ihany izay mipaka any amin` ny vahoaka no ahafanana mamaritra ny fitoniana ara-politika eto amintsika, hoy ny mpampianatra ny fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien. Na dia eo aza ny korontana ara-politika eto amin`ny firenena dia zava-dehibe ny fisian`ny fitoniana mba hampiroborobo ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Maro ny zavatra mifamahofaho eto amintsika. Ny fifidianana efa vita ary nankatoavin` ny iraisam-pirenena. Nilaza ny iraisam-pirenena fa demokratika ny zavatra niseho taty Madagasikara ary tsy hiverina amin` izany intsony izy ireo saingy kosa mila fitoniana ara-politika ny fanjakana. Tsisy fampandrosoana raha tsy misy fitoniana, hoy izy. Tsy hisy mpiara- miombon` antoka hampiasa vola raha tsy milamina eto amintsika. Ny fitoniana sy ny fanjakana tsara tantana no ampiarahana amin`ny tany tan-dalàna ka izany no hampisehoana amin`ny any ivelany fa miasa ny fanjakana ka miantso ny olona hampiasa vola eto amintsika. Nanamafy izy fa ny tena asa no tokony atao fa tsy am-bava fotsiny. Rehefa misy ny asa mivaingana dia mangina ho azy ny hafa. Hatreto dia mbola misy ny fitoniana ara-politika. Tany mandala ny demokrasia isika ka afaka maneho hevitra isika ary manan-jo hanao izany ny mpanao politika sy ireo afaka manatanteraka izany. Fa raha mitohy izao dia mety tsy hisy intsony ny fitoniana, hoy ihany izy
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.