Politique

Radanoara Julien Ilaina ny fifanarahana politika eken’ny ankolafy rehetra


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Aorian’ny fifidianana filoham-pirenena vao mety ho avy ny fankatoavana iraisam-pirenena, hoy Atoa Radanoara Julien izay manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena ;

ekena fa misy ny fiovana mizotra mankany amin’ny famerenana ny ara-dalàna tamin’ny nanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka ka nahalanian’ny lalampanorenanan’ ny repoblika faha-4, saingy tsy ampy handresy lahatra ny any ivelany hanaiky ny fijoroan’ny fanjakana eto izany ka hamerenany ny famatsiam-bola rehetra naato, araka ny filazany ihany. Notsipihany ihany koa fa na dia niezaka ny hametraka ny rafitra mikarakara ny fifidianana sy nanao izay fara heriny hitaomana ny olona hifidy aza ny FAT dia nibaribary sy niaraha-nahita ireo sampona sy tsy fahatomombanana misimisy ihany nanerana ny nosy tamin’iny fitsapan-kevi-bahoaka iny, mampitombo ny ahiahin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany araka ny nambarany ka tena manasarotra ny fiavian’ny fankatoavana. Na dia tsy niteny mivantana ny heviny aza ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny vondrona eoropeanina sy ny SADC ary ny vondrona Afrikanina dia hita taratra ihany, araka ny nambaran’Atoa Radanoara Julien fa tsy manaiky ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenana.

Nisarika ny sain’ny rehetra moa Atoa Radanoara Julien fa ny tany Cote d’Ivoire aza nisy fifanarahana politika nifaneken’ny mpifanandrina rehetra mbola nisavoritaka taorian’ny voka-pifidianana, ka vao mainka ny eto Madagasikara izay azo ambara fa mbola ahitana rafitra mandeha ila sy tsy maharesy lahatra ny ankolafy politika rehetra, indrindra fa ireo niavian’ny krizy tamin’ny 2009. Zava-dehibe, araka ny fomba fijerin’ity manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena ity, ny hiverenan’ireo ankolafy rehetra eo amin’ny latabatry ny fifampidinihana ka hamoahana ny marimaritra iraisana ho famahana ny krizy.
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT