Politique

Rabesaiky Guillaume Fandaniam-potoana io famezivezena volavolan-dalŕna io


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Tsy olana amiko Rabesaiky Guillaume mihitsy ny andefasana ny fifidianana Ben’ny tanŕna sy ny lehiben’ny Faritra mialoha ny fifidianana rehetra satria ireny no tena manakaiky kokoa ny vahoaka.

 Ny fahalanian’izy ireo mialoha, hoy i Om-Gui, dia tsy hisian’ny tsindry bokotra intsony avy amin’ny ambaratonga ambony efa voafidy mialoha. Dia tsara ihany koa aminy raha atao andro iray avokoa ireo fifidianana ireo ka hofidiana mivantana ary samy hanana ny vata mangarahara azy manokana avy ihany koa. Tsy mitombina mihitsy ny ahiahinareo mpanao gazety amin’ny hoe hisian’ny fifanjevoana amin’ny fampielezan-kevitra hatao amin’ireo fifidianana ireo, hoy ihany ny CT Om-Gui satria ireo Ben’ny tanàna mihitsy no hanolotra ireo lehiben’ny Faritra hofidiana miaraka aminy amin’izany. Mikasika ilay sori-dalana natao rangopohy teny Ivato na ilay hoe nasiam-panitsiana tany Sandton dia tsy Baiboly akory ireo, hoy ity CT ity, ka tsy azo hovana. «Rehefa ny Vazaha na Afrikanina ve izany dia afaka mikitika ?», hoy izy, ka nahoana ny Malagasy no tsy mba hitondra izay heveriny fa mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny tanàna ?

Mikasika ny fandinihana ireo volavolan-dalàna ao amin’ny parlemanta roa tonta ankehitriny dia tsy nihambahamba i Om-Gui nilaza fa fandaniam-potoana fotsiny ny fivezivezen’ireo tolo-dalàna ireo eny Tsimbazaza sy eny Anosikely ary tsy mifanaraka velively amin’ny hetahetam-bahoaka hoe : efa maika hiala amin’ny krizy. Izany fihodinana faharoa amin’ny fifidianana solombavambahoaka heverin’ny CST izany ve, hoy izy, dia hitondra fitoniana eo amin’ny fiainam-bahoaka ? Hisaorako manokana ny CT fa olon-kendry sady be manana traikefa ka tsy tafiditra tamin’ny fandrika. Mahagaga fa na tamin’ny andron’ny Antenimierandoholona nisian’ny Arema mpanohitra sy TIM be dia be tao aza tsy nisy izao trangan-javatra izao, hoy ny CT Rabesaika Guillaume. Tokony ho efa nodinihina ny volavolan-dalàna mikasika ny famontsoran-keloka, hoy izy, fa dia io fihetsika io no tsy ahafaha-mandroso.

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT