Politique

Propagandy miha mafana Miantso fitoniana ny mpitandro ny filaminana


  • Talata 21 Mey 2019

Nivory voalohany tetsy amin’ny toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary omaly ireo mpitandro ny filaminana maro isan-tsokajiny, notarihin’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

 

 

 

 Zavatra telo loha no noresahin’izy ireo  tamin’izany ka anisan’ireny ny fandriampahalemana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana solombavambahoaka izay hotontosaina ny 27 mey ho avy izao, manerana ny Nosy. Nambarany tamin’izany fa  na dia eo aza ny fahasamihafan’ny hevitra sy ny fomba fijery dia tokony hitandro hatrany ny filaminana ny rehetra mba ho tombontsoan’ny besinimaro. Tsikaritra mantsy fa nisy ihany ireo nifampiantsy ady …ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Hisy,  araka izany, ny fiambenana hataon’ireo mpitandro ny filaminana any amin’ireo  toerana misy ny biraom-pifidianana rehetra na ambanivohitra na an-drenivohitra. Ankoatra izay dia natsidik’izy ireo sahady ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona  sy ny fahatongavan’ny Papa Ray Masina amin’ny volana septambra ho avy izao.  Hohetsehina avokoa ny mpitandro ny filaminana rehetra ka ny tanjona dia ny hahafahan’ny Malagasy rehetra manao fety amim-pilaminana sy miatrika ireo vanim-potoana lehibe ao anatin’ny fitoniana tanteraka. Tsy voafetra moa ny isan’ireo mpitandro ny filaminana hiasa mandritra izany, raha ny fantatra hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT