Ny tale jeneralin’ny fananan-tany teo aloha Atoa Hasimpirenena Rasolomampionona, kandida nilatsaka ao Fandriana, ny solombavambahoakan’i Mahabo teo aloha Raveloson Ludovic Adrien,
izay mbola hilatsaka ihany koa ary ny talen’ny fandraharahana ara-bola teo anivon’ny vondron’ny haino aman-jerim-panjakana teo aloha na ny ORTM, izay kandida ao Ambatofinandrahana dia anisan’ireo kandida mbola any am-ponja amin’izao fotoana hisokafan’ny fampielezan-kevitra izao. Hatreto, tsy nisy ny didy raikitra fa fidirana am-ponja vonjimaika ny azy ireo, izany hoe mbola madio ny taratasy ara-keloka na ny “casier judiciaire” ho azy ireo. Asa aloha izay ho endriky ny fampielezan-kevitra ho an’ny mpomba ireto kandida ireto sy ny zavatra hoenti-mandresy lahatra ny olona. Hafa kely indray ity !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.