Tsy vitsy tokoa ny olona no mieritreritra ny hilatsaka hofidiana amin’ny taona ho avy io. Izany moa dia noho ny fibahanana ny lalan’ny “favori” izay tsy iza fa i Dada, hany ka lasa samy manao vinavina kely eny daholo ny tsirairay. Raha ny an’ny Tia Tanindrazana manokana dia toy izao manaraka izao ny «pronostic».
a. Fahadimy : Lala Rasendrahasina
Olona mamim-bahoaka tokoa izy, saingy tsy dia tia miseho na maneho hevitra firy. Izany koa angamba no hitiavan’ny olona azy. Ankoatra ny maha mpitondra fivavahana azy dia anisan’ireo olona noviravirain’ity fitondrana ity pastera. Tsy mba namaly faty anefa izy fa niantso fifamelana aza no nataony. Manana endrika ho olon-kendry izy ity manoloana ny vahoaka Malagasy. Ny fanontaniana sisa dia ny hoe «ho sahy hilatsaka ve izy ?».
b. Fahefatra : Mamy Rakotoarivelo
Anisan’ny tanan-kavanan’i Dada izy ary teo akaikiny foana hatramin’izay nisian’ny krizy ka hatramin’izao. Izy mihitsy no manaraka an’ingahirainy, saingy be loatra ireo ady anatiny sy disadisa teo anivon’ny zanak’i Dada, ka nahavoatonona ny anarany ho mpamadika. Tsy fantatra, araka izany, izay mety havoakany. Azo lazaina fa anisan’ny manana ny maha izy azy izy ary mandeha alohan’ny maro.
c. Fahatelo : Pastera Mailhol
Betsaka no mihevitra fa tsy mankaiza ity pastera ity. Anisan’ny andrandrain’ny mpino maro anefa izy, efa an-tapitrisany izy ireo ankehitriny. Raha misy izany ny tsy filatsahan’ny «favoris», dia azo antoka fa kandinda mety hanao «surprise» izy. Izy ihany rahateo moa no efa nanao faminaniana fa hitondra ity firenena Malagasy ity amin’ny 2013. Samia miandry dia mandinika.
d. Faharoa : Lalao Ravalomanana
Raha misy ny tsy fodian’i Dada, dia azo antoka fa i Madama no ho lany eto Madagasikara. Porofon’izany dia ity endrika fatahorana efa ataon’ny mpitondra tetezamita ity manoloana ny saika nigadonany, volana vitsy lasa izay. Efa porofo ireny fa anisan’ny kandida mavesatra dia mavesatra i Madama. Eny fa na dia ny anarana fotsiny ary, miampy ny fanazavana fa izy irery ihany no tohanan’i Dada amin’ny fifidianana, dia azo lazaina fa ho vitany ny afera. Dia ho inona re no ho asan’i Dada amin’izay fotoana izay e ?
e. Voalohany : Marc Ravalomanana
Tsy mbola misy azo ampitahaina aminy raha samy mpifaninana. Tsy misy tsy miaiky an’izany angamba na Malagasy na teratany vahiny miasa na mipetraka eto. Malahelo azy sy ny asa vitany avokoa mantsy ny Malagasy, na hatrany amin’ny faritra na ny eto anivon-tany. Eny fa na dia ireo izay nanenjika tamin’izany fotoana ary, dia efa betsaka no te hiverin-dalana. Mba aoka anie isika samy hanontany sy hitsapa hevitra kely fotsiny eto Antananarivo sy ny manodidina e ! Tahaka an’Antsirabe, Analavory, Ankazobe sy ny any lavitra rehetra any dia tsy misy tsy miteny fa betsaka tokoa ny vola tamin’izany fotoana, fa ny nandaniana azy no tsy fantatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.